Rasazy Nata

Rasazy Nata

Share

Tongasoa eto amin'ny pejy 🥰 Reny sy zaza salama 💊🩺🩷

05/08/2026

🔴Zaza vao teraka kanefa efa misy nify sahady, tranga tsy dia fahita firy izy ity fa andao ho resahina kely 👶🏻

🌸Na dia tsy fahita firy aza, misy tokoa ny zaza teraka efa misy nify, na miseho ao anatin'ny 30 andro voalohany aorian'ny nahaterahany. 🤱🏻

🌸Tsy aretina akory izany na zavatra natao hampatahotra, fa tranga azo lazaina ho ara-dalàna.Matetika dia nify ronono mipoitra aloha loatra fotsiny izy ireny. 👶🏻

💬Efa nahita na nandre izany tranga izany ve ianao ⁉
Ao mba zarao ao amin'ny commentaire ao 😚❤

02/08/2026

🔴Antony iray lehibe tena tokony ihinanana FER: HIROROHANA NY FAHAVEREZAN-DRÀ BE LOATRA EO AMPITERAHANA❗(na aloha na aoriana) ❤

01/08/2026

🌸Ity volana vaovao ity anie hitondra fahasalamana sy fahombiazana ho antsika tsirairay avy ✨💙

28/07/2026

FANTATRAO VE FA... 😳

🤰🏻Ny zaza ao an-kibo dia afaka mandre ny feon-dreniny rehefa mandroso ny fitondrana vohoka? ❤️
🌸Ary fotoana tena mamy indrindra izany, no anisan'ny mahatonga ny zaza ho matsilo saina. 🥰

🩺🩷

24/07/2026

salama arivariva ô 😚🩷

Ndao isika iresaka ity zavatra mampatahotra be anareo ity rehefa ilay miteraka, kanefa dia antoky ny fahasalamany maman aorian'ny fiterahana 😅🩵

🚨 RÉVISION UTÉRINE (RU) :
📌Inona izany Révision Utérine izany ⁉

🔴Ny RU dia geste médical atao aorian’ny fiterahana, rehefa misy antony ara-pitsaboana manamarina azy, mba hijerena ny ao anatin’ny tranon-jaza sy hanesorana izay mety ho ambina ahitra (débris placentaires) tavela. ✨

📌Rahoviana no tsy maintsy atao ?

👉 Raha misy ahiahy fa mbola misy ahitra (placenta) tavela ao anaty tranon-jaza.
👉 Raha mitohy na be loatra ny rà mandeha aorian’ny fiterahana.
👉 Raha nisy fahatapahana na tsy mivoaka tanteraka ny ahitra.

📌Nahoana no zava-dehibe?

⚠Raha sanatria ka misy ahitra tavela ao amin'ny tranon-jaza dia mety hiteraka fahaverezan-drà be (Hémorragie Post-Partum), ary mety hiteraka hatramin'ny fahafatesan' ny Reny.

❌Ny rà mandeha betsaka loatra aorian'ny fiterahana dia isan'ny toe-javatra sarotra izay mila fandraisan-tanana aingana mba ho fiarovana ny ain'ny Reny.💚

💬Noho izany, aza toherina rasazy rehefa ilay mampiditra tanana kely iny, miaritra kely dia lahy kely hoy ny fitenenana 🥴💙





💬Zarazarao mba ahita koa ny hafa 🥰
🩺🩷

N.B: Sary fanehoana

23/07/2026

Bonsoir 😙🩷

🌸Ndao mba iresadresaka kely aloha eih! 😊

➡Nisy fotoana tany aloha tany nandalo zavatra mafy be 🥲
➡Rehefa mahatsiaro na mahatadidy ilay zavatra niainana tamin'zany aho indraindray aty aoriana dia tena mbola mivoarahotsana.😱
➡Tena lasa saina mihitsy hoe vitako ve niaina sy niatrika an'zany tamin'ireny fotoana ireny 🥲
➡Fa tsy vita tokoa raha tsy nankinina tamin'ilay Ray tao ambony 🥹🙏🏻
➡Raha miaina zavatra mafy be ianao amin'izao fotoana izao, aza kivy fa ankino amin'ilay Ray ao ambony ao 💚
➡Mandalo fotsiny iany io, sady fitsapana fa ianao mafy sady manana an' Andriamanitra afaka anampy sy anolon-tsaina anao 😊❤





Soava ny alina indray aloha ✨
Bisous 😘❤

21/07/2026

Salama daholo ve ô ❓
Ndao ho resahin-tsika ary ny mikasika ity grossesse extra-utérine ity 🤰🏻

🚨 GROSSESSE EXTRA-UTÉRINE (GEU) – FITONDRANA VOHOKA ivelan’ny tranon-jaza

❗ Fantatrao ve fa mety hampidi-doza ny ain’ny reny ny grossesse extra-utérine raha tsy misy fandraisan-tanana ara-potoana?

⚠Ny grossesse extra-utérine (GEU) dia firaiketan'ny atody ivelan'ny tranon-jaza, izay efa voaforona taorian’ny fihaonan’ny atody sy ny tsirinaina, izay hita ao amin'ny lalan'atody (trompe de Fallope) matetika. Tsy afaka mitohy ara-dalàna io fitondrana vohoka io ary mila fitsaboana haingana.

🔴 Ireo famantarana tokony hampitandrina:

✔Fanaintainana mafy amin’ny kibo, indrindra ao amin’ny ilany iray.
✔Rà mandeha izay tsy ara-dalàna amin’ny fivaviana.
✔Fanina, fahalemena ary mety hitarika hatramin'ny fahatoranana tampoka.

N.B: Tsy voatery hisy ireo soritr'aretina rehetra ireo anefa fa ny fitiliana na échographie no tena manamarina azy 🩷

💬Ho anareo maman efa niatrika ity tranga ity, mba lazao ao amin'ny commentaire hoe ny toe-javatra niainanareo tamin'izany ⁉







💬Zarao mba ho hitany hafa 🌸🩷

20/07/2026

❌ GROSSESSE EXTRA-UTÉRINE ❌
👉🏻Ataovy ao amin'ny commentaire hoe ny fahafantaranao izany 🩷

18/07/2026

🤱 MÈRE KANGOUROU: Fomba tsotra, nefa mamonjy ain'ny zaza👶🏻

🔴Fantatrao ve fa ny Mère Kangourou dia iray amin'ireo fomba fikarakarana mahomby indrindra ho an'ny zaza teraka aloha loatra na zaza kely lanja❓

💎 Fomba fametrahana ny zaza mifandray mivantana amin'ny hoditry ny tratran'ny reniny (peau à peau) mandritra ny fotoana maharitra, miaraka amin'ny fampinonoana matetika sy ny fanaraha-maso ara-pahasalamana.🌸

📌Ny maha zava-dehibe azy :

✅ Mitazona ny hafanan'ny zaza.
✅ Manampy ny zaza hitombo lanja tsara.
✅ Mampihena ny mety ho aretina mahazo ny zaza.
✅ Manamora ny fampinonoana.
✅ Manamafy ny fifamatoran'ny reny sy ny zaza.

🌸Eny, ny fitiavan'ny Reny sy fikarakarana amin'ny fomba tsotra fotsiny iany dia efa afaka mitondra fiovana lehibe eo amin'ny fahasalaman'ny zaza. 👶🏻❤





💬Zarao mba ho fantatry ny hafa iany koa ‼
🩺🩷

Want your business to be the top-listed Beauty Salon in Antananarivo?
Click here to claim your Sponsored Listing.

Website

Address

Antsampandrano
Antananarivo