Fantatrao ve Fa ?

Fantatrao ve Fa ?

Share

Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Fantatrao ve Fa ?, Antananarivo.

15/08/2026

Tena hoe izao ve izany sisa no niafaran'ilay firenena e 😂😂
Vonono hanampy ara-bola an'i Tatandraza ny association Fanjiry an'i Elisa vadin'i Kolonely Michaël rehefa avy nifampiresaka tamin'i secrétaire😂😂
Fa angah tsy misy tanora manam-pahaizana sy manana tetikasa mba tsara intsony fa i Tatandraza mihitsy ve no ampiana ara-bola🫣🫣

Photos from Fantatrao ve Fa ?'s post 15/08/2026

🚨COLISEUM - VAHAO NY OLOKO

Tonga manatrika ny Croisade ataon'i fiangonana Vahao ny Oloko eny amin'ny Coliseum Antsonjombe i Siteny.

Matahotra ny ho very seza ve de mody misehoseho mandeha any amin'ny fivavahana e 😁
Ny tanora sy ireo fikambanana ary antoko politika efa nifandimby mitaky ny fandravana ny Antenimierampirenena sy mitaky ny hialan'i Siteny😁

📸 Indrana

Photos from Fantatrao ve Fa ?'s post 14/08/2026

🔴 NANISANA : 3 ANDRO TSY NISY RANO

AIZA NY FANDRAISANA ANDRAIKA ANAREO RY FITONDRANA ???

Hoy i Randrianarison Zo:
"Izao no fijalian'ny mponina ety Nanisana ambony tompoko ! Tena mba jereo aingana fa efa tezitra ny olona a! borne fontaine 3 tsisy mande de miandry Bonbonne 3 andro vao manatitra..."

14/08/2026

🔴Tratran'ny Fanavaozana noho ilay tetibola nasiam-panintsiana (LFR 2026) ihany koa ny saran'ny abonnement ao amin'ny Canal+

Ka hiova toy izao izany manomboka ny alatsinainy 17 aogositra ‼️

IZAY TSARA FIHOMANANA TSY HO TAMPOHIN'NY LOZA

Source : Gasy Vaovao

13/08/2026

🔴Syntia : Fanirisoa Ernaivo no tena nijapy ny tolona

🔹Nandritra ny taona maro, izaho irery taty andafy no nijoro, nanao manifestation teny amin’ny ambassade, niatrika irery ny zava-tsarotra rehetra. Tsy hita teny aminy ambassade akory ikala Bilda satria ny abandonne. Taminy farany voa nitonatonana teny…

🔹Tsy hitako nanao LIVE niaraka taminay teny amin’ny TikTok izy, tsy hitako nandresy lahatra sy nanentana ny tanora teny amin’ny Facebook talohan’ireny hetsika ireny. Tsy hitako nanangana groupe discord.
Dia izy no nijapy ny tolona indray no mahay vava hoe nijapy ny tolona ny gen Z ! 😤 izy no tena nijapy ny tolona !

🔹Tamin’ny farany izy vao tonga ny manifester, ary fatany fa ny vohaloany eny ankianja no tompony baolina !
Koa aza dia abotsina loatra ilay loha… otrany ilay posy nabotsin’itony nandritany 10 volana tao aminy ministère taminy perquisition sy raquette ! Voninahitra nangalarina taminy tolona ny Gen Z ny an’itony !

Photos from Fantatrao ve Fa ?'s post 12/08/2026

🔥🔥𝗦𝗼𝗺𝗮𝗴𝗲𝗹 - 𝗔𝗻𝗱𝗼𝗵𝗮𝘁𝗮𝗽𝗲𝗻𝗮𝗸𝗮 : 𝗠𝗶𝘁𝗼𝗸𝗼𝗻𝗮 𝗺𝗮𝗻𝗱𝗼𝗿𝗼 𝗸𝗼𝗱𝗶𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗺𝗽𝗼𝗻𝗶𝗻𝗮, 𝘃𝗼𝗮𝗹𝗮𝘇𝗮 𝗳𝗮 𝗺𝗶𝘀𝘆 𝗺𝗮𝗻𝗴𝗮𝗹𝗮𝘁𝗿𝗮 𝗻𝘆 𝘁𝗮𝗻𝗶𝗻𝘆.

🔹Mitokona, mandoro kodiarana, manakana ny arabe izao alina izao ireo mponin'i Somagel, akaikin'ny Camp Miaramila.

🔹Angalarin'olona ny taninay madinika, nolovaina tamin'ireo Razambe am-polo taonany maro hoy ireto farany, ka anton'izao fitokonana izao. Hitohy ny hetsika raha tsy tonga midina ifotony mijery ny zava-misy ny Minisitra tompon'andraikitra hoy ireto farany. Voasakana ny lalana, miverin-dalana ny ankamaroan'ireo fiara.

Photos from Fantatrao ve Fa ?'s post 12/08/2026

🚨Kolonely Michael VS Siteny

Vaky ny ady mangatsiaka eo amin'i Kolonely Michael sy Siteny raha ny feo mandeha.
Tsy mifanaraka intsony amin'ny fomba fitantanana ny firenena izy mirahalahy raha ny loharanom-baovao mari-pototra.

Raha toa ka namaly i Siteny fa tsaho ny filazana fa misy ny fivoriana nikasa hanala ny Filohan’ny Antenimierampirenena nataon'ireo depiote.
Dia ampiasain'ny fiadidin'ny Fanavaozana kosa anefa ireo tanora hitaky ny fandravana ny Antenimierampirenena sy hanesorana an'i Siteny.

I Donorice sy Alicia, tanora mpitari-tolona ao amin'ny Assedu Mada izay miasa ao amin'ny fiadidin'ny Fanavaozana no mitarika ireo tanora ka mivoy ny fanesorana an'i Siteny tsy ho PAN.
Mazava izany fa misy ny ady mangatsiaka eo amin'ny PAN Siteny sy ny Kolonely Michael.
Satria ireo tanora akaiky an'i Kolonely Michael mihitsy no mitarika ireo tanora amin'ny fanesorana an'i Siteny ankehitriny.

11/08/2026

🚨Siteny

Tonga ihany ity ny volana Aogositra fa tsy mbola tonga le solika nafarana avy any Rosia nolazain'i Siteny fa ho tonga tamin'ny farany volana Jona 😂
Nilokaloka mafy mihitsy i Siteny rehefa nihaona tamin'ireo diaspora tao Frantsa fa ho avy ny solika nafaran'ny fitondrana FAHAVOAZANA avy any Rosia😂

Kenda roroka tanteraka anefa i Rosia ankehitriny satria miaina ao anaty krizin-tsolika goavana vokatry ny daroka baomba nataon'i Ukraine.
Voatery manafatra solika any Maroc ny Rosiana ary niaiky i Poutine fa tsy mbola nandalo krizin-tsolika toy izao i Rosia hatramin'ny nitondrany.

Firenena tratran'ny sazy iraisam-pirenena maro i Rosia hatramin'ny taona 2022.
Tsy mahazo mandalo fari-dranomasina maro ny sambo Rosiana fa voasazy, ka sakanana sy potehin'ireo firenena mivondrona ao anatin'ny OTAN.
Mampiasa "flotte fantôme" i Rosia mba ahafahany manondrana solika, gaz ary fitaovam-piadina hamatsiana ny ady any Ukraine.

Tsy tafavoaka ary manomboka potika tanteraka ny toe-karen'i Rosia vokatry ny ady mitarazoka eo amin'i Ukraine sy Rosia.
Tsy mahavita mamatsy vola ny ady intsony i Rosia ka lasa mitady firenena aty Afrika mba hiarahana miasa hamatsy vola ny ady ao Ukraine.
Ka i Siteny no ampiasain'ny Rosiana mba hanatanterahana izany fiaraha-miasa izany.
Hampijabaka an'i Madagasikara anefa ny fiarahana miasa amin'i Rosia toy izany satria ho tratran'ny sazy iraisam-pirenena goavana ihany koa i Madagasikara ary ho voasokajy ho firenena tsy azo atokisan'ny mpamatsy vola intsony ihany koa.

10/08/2026

Mitsinjaka sy Faly ery ny sasany hoe voahantso amin'ny firenena hafa foana Kolonely.🥱

🛑Raha jerena anefa ireo firenena miantso azy toa firenena be olana. Ary misintaka aminy ny sehatra iraisampirenena. 👇

👉Jereo Rosia izay tsy zoviana fa tena hisitahan'ny firenena maro.
👉Jereo i Egypte fa tena malaza eran-tany amin'ny fanagadrana mpanao gazety. Satria dia miisa 170 be izao ireo mpanao gazety nigadra hatramin'ny taona 2023, Ary 6 no maty.
👉Izao indray i Tchad. Izay efa hanaovan'ny sehatra iraisampirenena fandrarana mafy ny olompirenena ao aminy tsy ho any.

Ny fitenenana hoe: " Ny soa fianatra." Ity anefa toa izay firenena be olana ihany no andehanana.

⛔Hikatsaka izay mahasoa ny firenena tokoa ve sa hianatra ny ratsy ataon'ny sasany?

Photos from Fantatrao ve Fa ?'s post 07/08/2026

🚨Shenseea

Hélicoptère an'ny tafika Malagasy no nitondra an'i Shenseea nitsangatsangana nanao tour ao Nosy Be.
Volam-bahoaka no mandoa ny kérosène sy ny entretien ary ny karaman'ny mpamily an'io hélicoptère io nefa dia izao no ampiasaina azy.
Kanefa tsy ampiasain'ny fitondrana FAHAVOAZANA ireto hélicoptère ireto rehefa misy fanafihana sy asan-dahalo any amin'ireo toerana saro-dalana.
Ho fiarovana sy famonjena ny vahoaka rehefa misy voina no tena nampiasaina an'ity hélicoptère ity kanefa dia izao ampiasaina hanaovana fitsangatsanganana izao sisa.

Want your business to be the top-listed Beauty Salon in Antananarivo?
Click here to claim your Sponsored Listing.

Website

Address

Antananarivo