Ankamantatra
Vous aide à SOURIRE, MÂCHER et DISCUTER, entre les contrôles dentaires!👄🌽🗣️
Étudiante dentaire🏥
16/11/2025
8 VÉRITÉS SUR VOTRE SOURIRE 👄👄
✔️1) Miteny ny tsikinao, alohan'ny hanokafanao vava.
(Votre sourire parle avant même que vous n'ouvriez la bouche.)
✔️2)Mampita hafatra izay tsy voatonon'ny teny ny tsiky.
(Il transmet des messages que les mots ne peuvent pas exprimer.)
✔️3)Ny tsiky marina dia milaza hoe : "Matoky tena aho ary mora hatonina."
(Un sourire franc dit : "Je suis confiant et accessible.")
✔️4)Mampita fiaraha-mizaka, hafaliana ary fisokafana ny tsiky.🤲🤝
(Il communique l'empathie, la joie et l'ouverture.)
✔️5)Fiteny iraisam-pirenena ny tsiky. Takatry ny rehetra manerana izao tontolo izao.🇨🇦🇲🇬🇪🇸
(C'est un langage universel, compris partout dans le monde.)
✔️6)Ny tsiky no karatra fandraisana (carte de visite) ara-pihetseham-po voalohany anao. 💳
(Le sourire est votre première carte de visite émotionnelle.)
✔️7)Mamorona fifamatorana fitokisana eo no ho eo amin'ny hafa ny tsiky
(Il crée instantanément un lien de confiance avec les autres.)
✔️8)Na ny tsiky fohy aza dia afaka mampitony sy mamporisika.😇
(Même un sourire discret peut rassurer et encourager.)
Aza atao tsinontsinona mihitsy ny herin'ity fanehoan-kevitra mangina ity.
Karakarao tsara ny fitaovana itsikiana,
VAVA +/- NIFY 👄👄
SAMY HIAINA ALAHADY FENO TSIKITSIKY!
10/11/2025
Mikiakiaka === SALAMA ARA-TSAINA? 🧠
Fantatrao ve fa izahay aza rehefa any anaty seminaire sy formation tena asaina mikiakiaka?
PRESSION ... STOP ! Noho ny hetsika ho an'ny fahasalamana ara-tsain'ny tanora (antson'ny OMS), dia tena ilaina ny mikaroka fomba hamoahana ny fihetseham-po. Ny kiakiaka, rehefa "vory saina sy azo antoka", dia tsy endrika fahalemena, fa fitaovana mahery vaika hitantanana ny adin-tsaina (stress). Mamela ny famoahana ireo fihetseham-po nangonina izy, na fihetseham-po manorisory izany, na mampiahiahy, na koa mahafaly aza.
Ny fomba fitsaboana sasany dia mampiasa izany :
- toy ny amin'ny seminera izay voalaza teo,
- ary misy ny "efitrano fikiakiaka" any ivelany (SCREAM BOOTH),
izay manaiky ny anjara asan'ny kiakiaka amin'ny fanamaivanana fihetseham-po (ho an’ny karazan’olona sasany).
Outil de libération émotionnelle ponctuelle.
Jereo ho toy ny fitaovana fanampiny ho an'ny fahasalamana, azo ampiasaina ao anaty "tontolo manokana sy manaja" ny kiakiaka (cadre privé). Tsy manolo velively ny fanaraha-maso ataon'ny matihanina io. Dingana feno fahasahiana mankany amin'ny fahadiovana ara-tsaina tsara kokoa izy. Sahia hamoaka ny feonao ho an'ny saina milamina kokoa ! ✨
Afaka mikiakiaka na dia maharitra 20 secondes aza :)
́mentalejeunesse ́rationdesémotions
Scream booth - Lane Jordan (c)
07/11/2025
😱 Tena TSY MAINTSY miborosy nify isan'andro ve ?
Eny, 💯 ary tena ZAVA-DEHIBE izany !
Ny fiborosiana nify dia fomba hanesorana ny biofilm (ilay takelaka mipoitra amin'ny nify). 🦷 "Désorganiser le biofilm."
Raha ajanona maharitra ny fiborosiana nify, dia miroborobo ireo bakteria manimba 🦠.
Mamorona lavaka amin'ny nify izy ireny, ary manamora ny fiforonan'ny vatosokay (tartre) izay manimba ny nify sy ny hihy!
Io no fototry ny fahasalamanao am-bava !
👉 Tanjontsika : 3 minitra, in-3 isan'andro !
Siliga mavokely= fototra iorenan'ny nify.
Raha simba ny fototra, dia hanomboka ny faharavana.
Araho maso ny siliga!
03/11/2025
🦷 TSY MAINTSY TENENIKO ITY! 🤫🤫🤫
Iza no efa voakapoka satria kamo niborosy nify? 🙋♀️Efa nokapohin’i dadanay noho izay antony izay aho.
⚠️⚠️⚠️Fa ny tena loza? Tsy ilay kapoka fa ny tsy fitiavako niborosy nify. Ny tsy nahalalako ny nilàna azy.
===Inona anefa no lafy tsara amin'ilay miborosy nify?🪥🪥🪥
VETIVETY dia vita: Telo minitra fotsiny ... (3)
===Impiry isan'andro no atao?🪥🪥🪥
In-telo ihany (3)
Raha ny isan'ny sakafo amin'ny ankapobeny no arahana.
===Dia kosikosehina fotsiny moa izany ilay izy?🪥🪥🪥
Ento miainga avy any amin'ny faritra MENA makany amin'ny faritra FOTSY!
(faritra mena: akanjo nify ➡️➡️➡️ faritra fotsy: nify)
===Dia aiza no tena borosiana?🪥🪥🪥
Borosiana ny ivelany + ny anatiny + ny faritra mitsako.
===Mampaninona izany ilay miborosy nify?🪥🪥🪥
Miborosy nify mba tsy hahazo vahana ny bakteria. Ireo bakteria ireo no mitarika ny fandoahana ny nify.
Raha te ho mafy ohatran'i spiderman ny ankizy dia mila miborosy nify!!! ;) :p
́orale
______________________________________________________________
Des dents pour SOURIRE, MÂCHER, DISCUTER ...
🚫STOP! Tsy "chéri chéri"-anao izany ny eto! 😅
Matetika heno any amin'ny oniversite io, saingy fitsipika volamena no miafina ao. Eo amin'ny fitantanan-draharaha sy ny etikan'ny tontolon'ny fianarana, ny teny hoe "Cher/Chère" dia fomba fiteny manambara fifandraisana akaiky loatra. Tsy mety velively amin'ny protocole ôfisialin'ny mpianatra izany. ⛔
== Mpianatra miteny/manoratra "Cher Professeur/Docteur" ❌❌❌
Tena zava-dehibe ny anaram-boninahitra: "Cher Professeur" dia natokana ho an'ireo mitovy lenta na mpampianatra manam-pahaizana manokana. Amin'ny maha-mpianatra anao, dia ilaina ny mifidy ny fomba fiteny tsotra sy marina. 📚
✅ Ampiasao hatrany : "Madame/Monsieur le Professeur".
Ity pitsopitsony kely momba ny fiteny ity dia hanambarana ny fanajana ny fomba amam-panao akademika. Miezaka mampihatra ireo fitsipika ireo dieny izao, hidirana amin'ny tontolon'ny maha-matihanina. 🦷
́tudiants ́tudes
Étudiant - coupures de connexion/électricité ...
⏳Le temps n'est acquis! Rédiger=MAINTENANT
🤯 ́tudiants
Ny fanadiovana ativava🪥 toy ny lay moustiquaire: Adinonao izy? Hitoetra ao ny vahiny tsy nasaina.🦟 (Caries🦷)
29/10/2025
MISY EN SURPOIDS 'NAREO IREO, dia misy dénutri ..... hoy ilay mpampianatra taminay rehetra tao am-pianarana.🏢🏢
👉👈Nanontany tena be mihitsy aho tamin'izany hoe sao mba izaho izany voatonona izany. (Tsy tondroina mantsy ny olona).
Avy eo moa dia namantatra ny atao hoe IMC izahay.
Androany ve ianao vao naheno an'izany? Antony iray ilàna azy amin'ny traika dia ijerena hoe mifandanja amin'ny halavanao ve ny lanjanao. Misy intervalle ilay izy hoe eto farafahabetsany ary eto farafahakeliny.
🧑💻Azonareo jerena amin'ny internet. XX
ANY ANATY STADE⚽ Adidy miandry🪥🪥🪥
Amin’izao 2025 dia mbola olona maro no iharan’ny areti-nify. Ny FISOROHANA azy? Tsotra: fiborosiana nify araka ny tokony ho izy.
___________________________
📕Fitsipi-dalao= ENTINA MITETY NY KIANJA ny borosy nify!
Vava ilay kianja ilalaovana eto, ny nify rehetra mila tetezina diovina, koa tsy maintsy mitsofoka any anatiny mihitsy ny borosy nify.👄👄
Eritrereto hoe
** “gradin”-ana kianja ny nifinao. 🏟️🏟️📣📣🇪🇸🇪🇸🌍🌍
** Nanatrika ny lalao tao ny “bactéries” sy ny poti-kanina. nipetraka teny amin’ny gradins. 🍢🍢🌮🌮🌯🌯🥡🥡
** Mpanadio ny kianja aorian’ny lalao ianao.👷👷🧑🌾🧑🌾
** Kifafa sy fitaovanao: borosy nify (fil dentaire: eny amin’ilay faritra misisika tsy antonona kifafa). 🪥🪥
Hanadio ny gradins amin’izay ianao sy ny borosy nify.
== Any anatin’ny kianja no diovina. Miditra any ny fitaovana.🪥🪥 Diovina tsara ilay faritra anatiny tsy tazan’ny maso iny. Ilay tsy tazana raha tsy jerena amin’ny fitaratra na alaina sary amin’ny telephone (côté palais buccal et langue).🪞🪞
Adinodino ireny faritra ireny. Mahazo vahana eny ny “plaque dentaire”. (Endroit critique!)🦠🦠
______________________________
Efa hainao ilay mouvement eh ? Efa kotrana atao isan’andro io.
______________________________
Kianja tsara entretien, maharitra sy mahavita ny asany.🏟️🏟️🪥🪥
Minitra vitsy amin’ny tontolo andro. 🌒🌒ALEFAAAA !!!
Website
Alerts
Be the first to know and let us send you an email when Ankamantatra posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.
