RENY Mifampitsinjo
FIFAMPIZARANA ,FAMPAHEREZANA
Ary aza mihaino ny mpaminaninareo ianareo ...na ny mpanandronareo na ny mpanana odinareo .jeremia 27:9a;15a
04/06/2023
FIADANANA anie ho ao anatin'ny Lapanao ;
FIADANANA ho ao amin'ny Mandanao (sal 122:7)
Mirary soa ho antsika Reny Malala rehetra mba hahatanteraka hatrany ny andraikitra napetraky ny Tompo amin'ny maha Mpanampy Tandrify antsika ;
Dia mirary fiadanana ho anareo zay misafidy ny ho Reny tokantena ihany koa !
12/05/2023
Voninahitra ho an'Andriananitra mbola afaka mifampizara amintsika rhtra indray
Hanasako anao ny Mpitoriteny 5:9-15 dia hofintiniko ny fampizarana .
Eny ilaina ny vola satria eto an-tany isika no onina,efa 'zay no lalan'ny fanakalozana .
Ekena fa na ny asa fanompoana aza dia ilana ny vola.
Ny tiako hambara anao dia zava-poana 'zao rehetr'zao ahitra ihany ny nofo rehetra ,fa raha vao teraka isika dia tanam-polo nofonosin-damba ,
Koa hoavy ny andro handaozana 'zao rehetr'zao dia tsy hahazaka n'inoninona e fa tanam-polo ihany koa no hofonosina ao.
Dia sasa-poana isika raha mievitra ny fiainana eto izao ihany hamela harem-bevava tokoa nefa ho paon-drivotra ihany izany ,ho potika sy ho ravan'ny tondra-drano sy horohoron-tany .
Samy velona eto an-tany izao sy ianao ,
Betsaka ny tanjona sy ny tiana ho atao .
Notahian'i Tompo anefa ianao ka manam-be ,fadio ny mirehareha !
Fa ny fitahiany anao ampiasao ,ho fitahiana ny hafa mba ho toa anao .
Handrera-tena hanangon-karena ihany ,aza varina an-tany .
Hitotototo ihany koa hitady an-dravola ,dia ho sasatra sy ho tola .
Fa katsaho ny harena ao an-danitra ao ,'zay tsy mety ho lo na koa hisy kalalao .
Dia ho hitanao fa Fiadanana no hiainanao .
Fehiny 1Timoty6:8
"Fa raha manan-kohanina sy hitafiana dia aoka hianina amin'izany "
Mankasitrakanao namaky e
03/04/2023
NY Tokan-trano no maharitra .
Dia isika Reny no miaritra...
Raha tamin'ny 'zany andro 'zany !
Tena lafatra aok'zany ,,,,
Ankehitriny mahavariana fa toa feno fangidiana ,ASA....
Ngamba noho 'lay tsifisiana ?
Eny hatramin'ny fiteny mahatonga fanaviana .
izao tokan-trano 'zao no niorina .
Dia nohon'ny fahasoavanao Tompo !
Na maro ny olana ....ho sedraina ,
Ny mpanomponao tsy hikely aina .
Eo ampototry ny Hazofijaliana
No hitarainana ireo fanahiana ary koa hanantenanay amim-
pifaliana ....
F'ty Dada tiana mbola ho tena
RAIM-PIANAKAVIANA!
Afaka mizara ihany koa ianao
Ho an'ireo Reny tsy an-kanavaka
Hifampitsinjovantsika @ fotondrana amam-bavaka ,
"Mifampivavaha mba ho sitrana!"
06/03/2023
Maniry hatrany ny Fiadanana sy ny Fahasoavana hirotsaka @ ntsika rehetra mpanaraka ny pejy ...
Somary lavalava ny fifampizarana kanefa iangaviko anao mba hamaky azy h@farany fa soa ho anao zany misaotra sahady fotoana…
Ny fifampizarana dia ny Famelana Heloka
Ny famelan-keloka dia mitana anjara toerana lehibe eo @ fahasalamana:raha mitana heloka zany ianao dia efa manomboka mamboly aretina ao am-ponao sahady ;
Ny Kristianina dia mahay ny vavaka nampianarin'iTompo ny Mpianany ....
F'lay andininy :"mamela ny helokay - tahaka ny namelanay zay meloka taminay "
Saino kely hoe impiry ianao no nangataka famelan-keloka ary impiry namela heloka ?
Mitana anjara toerana @ fahasalamana ny Famelana heloka :- tsy ianao no nanao ny heloka fa ny hafa mety ho :(zanaka,Havana,namana...) Ka noho ny fihazonanao ny helony dia lasa vesatra ao am-ponao zany isaky ny mahita 'lay olona ianao ary lasa toa zary voasaron'lay hoe(soyer civilisé)ka mivadika ho fiatsaram-belatsihy fa misy tombotsoa any nefa ny ao am-ponao mavesatra eny iany .
Isika Reny matetika no tena mitondra vesatra noho ny ditran-janaka na vady manampy trotraka koa ny manodidina ....
Manoloana reo anefa ny adidin-tsika dia ny mamotsotra tanteraka ny heloka nohazonina :-ho Fahasalamana
Mivavaka mba hanovan'Tompo azy :-ho Fitahiana
Mamaly ny ratsy :-Rom12:21
Ary farany nefa tsy kely dia ny hifankazarana sy fihaonana isanandro :-ho Fiadanana
Koa na in on a aretina ,na fahoriana sy alahelo ;dia mihaino any an-danitra Izy ny vavaka sy fifonana satria izy irery ihany no mahalala ny fon'ny olona ka mamela heloka sy manome araka ny haleany avy Amen(2Tantara6:29-30)
Fa Jehovah efa niantso anao tamin'ny fahamarinana sy nitantana ny tananao ;ary hiaro anao ka hanome anao ho fitahiana sy fahazavana ho an'ny olona !
@ zao andro zao ambeno amam-BAVAKA ny ANKOHONANAO !!!
20/01/2023
Tsy manam-bola na volamena omena anao aho fa zay kely ananako no mba zaraiko aminao ....
vanin'andro zao dia toa maro ny karazam-piaina zay toa zary lasa fiainana andavan'andro miits nefa mahatonga karazan'aretina mahazo antsika ihany koa .
Ao ny tahotra;fanahiana ;tebiteby ;fikorotanan-tsaina; alahelo ;tsy fahitan-tory ....(zay mahatonga ny aretin'tosidra mankarary ihany koa ny fo )
Oh:Alahelo (fahafatesana namana na havana akaiky ; na koa nohon'ataon'ny manodidina anao nahatezitra anao mafy ka nivadika ho alahelo refa tsy afa-manaotra ianao )
Manoloana reo rehetra reo anefa Jehovah dia miteny amintsika isan' andro @ alalan' Baiboly .
Ny Matio 11:28 zao dia manasa antsika hanantona azy ny Tompo rehetra manjo na mandreraka antsika fa Izy no hanome ny fitsaharana ,satria tokoa ny mason'iJehovah dia mitsinjo antsika ary ny sofiny mohaino ny antso vonjy ataontsika (sal34:15)
Mba ho fahasalamana ho anao hatrany dia miezaha ho ampy torimaso na koa miala sasatra kely ;fa aleo fialan-tsasatra eran-tanan'ila misy fiadanana ,toa izay fisasarana eran-tanan-droa nefa toa zary zava-poana ihany (Mpitoriteny 4:6)
Ny fon'ny olona tokoa no mahatsapa ny alahelo ao anatiny ,kanefa aoka tsy ho alahelo foana no hiainanao ;fa ny zavatra retra dia samy manana ny fotoany avokoa :
Misy fotoana ahafatesana ;misy ny ahaterahana .
Misy ny handravana :misy fotoana koa hananganana ;misy foana hisaonana ,ao koa ny andihizana ....(Mpitoriteny 3:1-8)
Ny fotoana resahan 'ny Baiboly eto dia Jehovah no mametra azy fa tsy ny sitrapontsika akory .
Ny sitrampontsika dia 'lay hoe indraindray ". Oh:refa kamo dia mba reraka koa indraindray e! ...
Hamaranako ny fizarana dia "matokia ny Tompo mifankazara Aminy fa Izy irery ihany no manome hafaliana ho antsika ;mampifaly ihany ny olona saingy mandalo zany fa ao Tompo no maharitra mandrakizay .
Mandram-pizara 'iJesoa Kristy Tompo indray ary e!
Hanome anao araka ny fonao anie Izy ary hanatanteraka ny fisainanao rehetra ;hotanterahin' Jehovah anie ny angatahinao rehetra ...Sal20 :4-5b
31/12/2022
Teny fohy nefa mafonja no atolotra ho fehezam-bobikazo ho antsika Maman manaraka ny pejy !
Oh15:13 "NY fo ravoravo mahamirana ny tarehy ;fa ny alahelon'ny fo mahareraka ny fanahy "
Dia ho fifaliana hatrany no hiainanao ny 2023.....
31/12/2022
Miarahaba antsika jiaby nahatratra ty farany 2022 'ty an !dia samy ho thT ahatratra ny rahampitso aby e!
Tsy hoe mahery ara-panahy na tapi-pahendrena na koa mahay mitory noho ny hafa aho akory ,f'zay mba kely nitaeihana ahy no ho zaraiko .
Raha ny fahalalam-pomba dia haintsika loatra fa ny zanaka na ny zandry olona no miarahaba sy manaja ny RaD .
@ zao fiainana misy antsika zao nefa dia tsy vitsy no tsy mahatanterak'zany ka mahatonga ny fanomezan-tsiny (r'anona tsy mba niantso ry zaroa tsy nandefa na sms 1aza ,dia tsy manana 500ar ve na sarotra aza ny fiainana sns...)
Dia velona eo ny alahelo mety ho tonga ihany koa ny fankahalana .
Tsy ny 500ar akory no olana na ny fahasahiranana ,fa mba te hitaona anao manàna hatrany fijery miabo (positive) fa lay zandry olona oh:sady reny no zanaka , no mbola zoky sady mpanampy no miasa ihany koa sns ...)
Koa taona vaovao ho avy zao an,na zanaka ianao na RaD na manamboninahitra sns...dia tiako ny milaza fa1ihany isika ao Jesosy koa raha kristianina ianao dia zao :
Ny tena Fahendrena dia ny manetry tena .(oh11:2b)
Eto aho sady manararaotra ihany mifona rhtra tsy voantso sy tsy tratrako antso t@Noely ,no mankasitraka ihany koa ho anareo nahatsiaro .
Koa hoavy ny 2023 dia ataovy lohalaharana @ fiharabana 'zay noheverinao fa tokony hiarahaba anao ...
fa efa famelan-keloka 'zany no sady koa rakitra lehibe ho anao sahady any andanitra ary fahasalamana ho anao koa ety (afaka ny vesatra ao am-ponao isaky ny mahita ahy oh:'ty ndray )
Fehin'zay rehetra zay an 1petera4:7-9
Hendre ka mahonona tena
Mifankatiava fa ny fitiavana manarona fahotana maro
Mifampiatranoa ka aza mimonomonona"
25/12/2022
Jehovah handeha eo anoloanao @ andry rahona ny atoandro ,hitari-dalana anao afo nony alina ,ho fahazavana ho anao handehananao andro amanalina .Ekso13:21
Click here to claim your Sponsored Listing.
Category
Telephone
Website
Address
Opening Hours
| Monday | 09:00 - 17:00 |
| Tuesday | 09:00 - 17:00 |
| Wednesday | 09:00 - 17:00 |
| Thursday | 09:00 - 17:00 |
| Friday | 09:00 - 17:00 |
| Saturday | 09:00 - 17:00 |
| Sunday | 09:00 - 17:00 |
