Tourism-management ISTE

Tourism-management ISTE

Share

Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Tourism-management ISTE, Health/Beauty, Ambalapaiso, Fianarantsoa.

Photos from Tourism-management ISTE's post 21/05/2026

Explore tourism-Managers

Ankasitrahana manokana ny Première Année Tourism-Management tamin’ny fihaonana androany.

Mbola hisy hatrany ny partage sy formation izay natao hanohanana antsika TM, mba hananana niveau tsaratsara kokoa eo amin’ny fianarana sy ny sehatra matihanina.

Ho eo foana izahay zoky hanohana sy hanampy anareo amin’ny lalana rehetra.

Photos from Tourism-management ISTE's post 20/05/2026

FORMATION TECHNIQUE DE VENTE – TOURISM MANAGEMENT

Notanterahina ny talata maraina lasa teo ny formation momba ny Technique de Vente, izay isan’ireo fiofanana manan-danja sy mampiavaka ny mpianatra ao amin’ny Tourism-Management eo amin’ny tontolon’ny asa sy ny fifandraisana amin’ny mpanjifa.

Nisitraka izany avokoa ny mpianatra Première Année, Deuxième Année ary Troisième Année. Tsapa nandritra ny fiofanana ny fahalianana sy ny fahavononan’ireo mpandray anjara, satria samy nandray anjara mavitrika sy liana tamin’ireo lesona sy fanazavana rehetra natolotra.

Ny tanjon’izao fiofanana izao dia ny hanamafisana ny fahaiza-manao sy ny fahatokisan-tenan’ny mpianatra, mba hahafahan’izy ireo miatrika tsara ny sehatry ny asa rahatrizay.

Mbola hisy fiofanana manaraka izay hozaraina maimaim-poana ho an’izay rehetra maniry hivelatra sy hanatsara ny traikefany.

Tsy natao hianatra teoria fotsiny ny eny amin’ny Université, fa natao ihany koa hanomanana antsika amin’ny tena fiainana sy ny tontolon’ny asa. Noho izany, aza mandalo fotsiny ny opportunité tahaka izao, satria tsy isan’andro no ahazoana fiofanana afaka manampy sy mampandroso ny tena.

Ho an’ireo mbola tsy tonga tamin’ity andiany voalohany ity, aza misalasala manatrika ny manaraka.

Ny fahalalana sy ny expérience azo androany no mety hanokatra varavarana lehibe ho anao rahampitso.

Photos from Tourism-management ISTE's post 08/04/2026

TOURNOI FIRAISANKINA

mankasitraka antsika rehetra indray androany.

Mafinaritra ny hezaka nasehonareo. hiezaka hanao ny tsara kokoa isika amin'ny manaraka.

Tourism-Management ; United for succès. 💪💪

05/04/2026

“Pot de contact Tourism-Management

Mbola misokatra ny fandraisana vola ho antsika rehetra izay liana amin'ny pot de contact, mandray hatramin’ny 08 avril ny ekipa Tourisme Management.

pot de contact tsy manavaka mention,afaka Tonga ianao na mention hafa aza, na tsy mpianatra ao @ ISTE.

conditions : mandoha vola 20000ar mitovy Tourism-Management ihany ianareo.

📅 Rendez-vous: 10 avril amin'ny KSLMD Andrainjato!

Aza tara!”

Photos from Tourism-management ISTE's post 03/04/2026

TOURNOI FIRAISANKINA

mankasitraka antsika rehetra nandray anjara androany.

mankasitraka ihany amin'ilay teontsaina sportif. Satria dia nilamina tsara ny lalao.

Tourism-Management ; United for succès. 💪💪

Photos from Tourism-management ISTE's post 03/04/2026

TOURNOI FIRAISANKINA

Tourism Management ISTE.

Fisaorana lehibe ho an’ireo mpandray anjara rehetra sy ireo mpanohana tonga maro.!

Nampiseho firaisankina, talenta ary fanajana ny fanatanjahantena isika rehetra.

Mbola misy .

Photos from Tourism-management ISTE's post 02/04/2026
Photos from Tourism-management ISTE's post 02/04/2026

Tapitra soa aman-tsara ny match Tourism Management ISTE (Inter-niveau) androany.

Fisaorana lehibe ho an’ireo mpandray anjara rehetra sy ireo mpanohana tonga maro.!

Nampiseho firaisankina, talenta ary fanajana ny fanatanjahantena isika rehetra.

Mbola misy .

Photos from Tourism-management ISTE's post 01/04/2026

MISS TOURISME MANAGEMENT – ISTE

Ireto ary ireo kandidà handray anjara amin’ny Miss Tourisme ISTE.

Samy manana ny hatsarany, ny talentany ary ny maha izy azy izy ireo .
- Tohano ilay kandidà tianao ho lany!

POT DE CONTACT – TM
Fotoana iray ahafahanao mihaona akaiky amin’ireo kandidà sy mahita ny talentany mivantana.

-Daty : 10 Avril 2026
-Toerana : KSLMD Andrainjato
-Fidirana : 20 000 Ar

Raha tena te hahita sy hanohana azy ireo ianao…
Tongava !Fa mety ho eto no hahitanao surprise tsy ampoizina.

Ho anareo célibataire, aza tara… mety eto no hahitanao ny anjaranao.

Want your business to be the top-listed Beauty Salon in Fianarantsoa?
Click here to claim your Sponsored Listing.

Category

Website

Address

Ambalapaiso
Fianarantsoa