Mon choix Idéal

Mon choix Idéal

Share

Ny Fahamarinanao no vavolombelonao @ andro ho avy

27/09/2026

Nisy fotoana aho nieritreritra hoe rehefa milamina ny fiainana vao tena afaka milamina ny fo.

Rehefa misy vola.

Rehefa mandeha tsara ny asa.

Rehefa tsy misy olana ao an-trano.

Rehefa mazava ny avenir.

Rehefa azoko daholo izay zavatra ilaiko.

Fa ny fiainana moa tsy dia manaraka an’izany plan izany. 😅

Misy andro ianao mahazo vaovao tsy nampoizina.

Misy vola efa nokasaina, dia misy zavatra tampoka mila aloa.

Misy projet nieritreretanao hoe handeha tsara…

tsy mandeha.

Misy olona nantenainao hijanona…

lasa.

Misy zavatra nangatahinao mafy…

nefa mbola tsy azonao.

Dia indraindray rehefa mipetraka irery ianao amin’ny alina, manontany tena hoe:

“Fa inona indray no hataoko izao?”

Efa mba nisy fotoana toy izany ve?

Tsy hoe tsy manana finoana ianao.

Fa reraka fotsiny.

Mivavaka ihany…

nefa ao anatinao ao mbola misy tahotra.

Mino ihany…

nefa mbola tsy hitanao hoe ahoana no hivoahana amin’ilay olana.

Teo aho vao nanomboka nahatakatra zavatra iray.

Rehefa lazaina hoe:

“Ampy ny manana an’Andriamanitra.”

tsy midika hoe rehefa manana an’Andriamanitra ianao dia manana vola rehetra tianao.

Tsy midika hoe tsy harary.

Tsy midika hoe tsy ho very asa.

Tsy midika hoe tsy hitomany.

Tsy midika hoe ho mora daholo ny fiainana.

Fa misy zavatra hafa omeny anao.

Rehefa tsy fantatrao intsony izay haleha…

misy toerana mbola azonao itodihana.

Rehefa mavesatra ny ao am-po…

misy Ilay azonao ilazana izay tsy hainao lazaina amin’olona.

Rehefa matahotra ny ampitso ianao…

misy antony mbola ahafahanao miteny hoe:

“Tsy fantatro izay hitranga, fa tsy irery aho.”

Ary indraindray izany mihitsy no zavatra lehibe indrindra ilaintsika.

Tsy valiny avy hatrany.

Tsy miracle eo noho eo.

Fa hery hahafahana miarina indray rahampitso maraina.

Hery hanohizana ilay asa.

Hery hitondrana ilay responsabilité.

Hery hilazana hoe:

“Eny, sarotra izao…

fa mbola handroso aho.”

Izany no mahatonga ahy tsy hijery an’Andriamanitra ho toy ny fomba hahazoana ny zavatra rehetra tiako.

Fa ho

27/09/2026
27/05/2026

Motivation-ako ve ? Jesosy 🩷🥰
Ny mahatonga ahy miezaka ny mandroso ? Jesosy
Ny mbola mampijoro ahy na dia eo ny tafiotra ? Jesosy

Jesosy hatramin’izay dia Jesosy mandrakizay 🩷🥰

Facebook Lite for Android 18/05/2026

tsisy mahita mintsy ve le varotra ato e

Facebook Lite for Android This version of Facebook uses less data and works in all network conditions.

Photos from Mon choix Idéal's post 15/04/2026

😍Robe maivamaivana araraoty fefa keli sisa 😍
30000ar manao livraison mandefa ani am faritra 😍

Photos from Mon choix Idéal's post 10/04/2026

(Supeur c**pie)
*Version IOS
* Caméra 32mpx // selfie 32mpx
*Mémoire 256gb// Ram 8gb
Sous carton avec accésoires
Manao livraison mandefa ani am faritra😍

Photos from Mon choix Idéal's post 08/04/2026

Ato ndray n maso rzareo 😍
Jereo izay mety a de tongava mp
vaovao daholo ireo 😍

08/04/2026

Marina zani

06/04/2026

‼️𝕍𝔼𝕋𝕊𝕆𝕍𝔼𝕋𝕊𝕆 𝕄𝔸𝕄𝔸𝕋𝕆ℕ𝔸𝕃𝕀ℕ𝔸
" "
Mandalo ny zava-drehetra
ka araraoty mandrakariva
ny hafaliana mba hitoetra
tsy amin'izato feo iva.

Mandalo ny zava-drehetra
ka eritrereto izay hahasoa
fa aoka ianao tsy hitsetra
raha te ho tretrika tokoa.

Mandalo ny zava-drehetra
ka tanteraho re ny tanjona
isan'andro tsy misy fepetra
tsy misy fosa sy anjona.

Mandalo ny zava-drehetra
ka asio vavaka lalandava
no farany fa ilay tarigetra,
mampiranga ny mazava.

©️ Fredy Jaofera

Category

Website

Address

Tananarive
Ivato
101

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Mon choix Idéal posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Subscribe

We will notify you when anything happens in Ivato.