Sofiamad Jeunesse

Sofiamad Jeunesse

Share

Sofiamad Jeunesse:" Fier d'être jeune"

Photos from Sofiamad Jeunesse's post 23/02/2026

Rando-reboisement 1ere Édition

Tontosa soamantsara ny hetsika nokarakarain'ny Fikambanana SOFIAMAD niarahana tamin'ireo mpankafy kodiaran-roa ny omaly Alahady faha 22 Febroary 2026.
Vondrona mpankafy kodiaran-droa miisa telo no tonga nanatanteraka ny hetsika, nahitana mpandray anjara manodidina ny 70.
Zanakazo ravintsara 500 fototra no voavoly.

Resilahatra ny rehetra fa ilaina ny miverina mikolokolo ireo zanakazo nambolena ireo ka dia tsy maintsy hiverina aty Amboafandra Beronono indray afaka fotoana fohy hanao ny entretien.

Isaorana ny ekipa rehetra tsy ary ho voatanisa nahafahana nanatontosa ny hetsika, indrindra fa ny Préfecture de Manakara, ny DREDD Fitovinagny, ny DRSP Fitovinagny ary ny mpankafy kodiaran-droa tonga namaly ny antso.

Photos from Sofiamad Jeunesse's post 18/08/2022

Gny mandeha da mandeha avao ry tanora namana e!!

Ho fanampiana anareo mpianatra vao afaka bacc 2022 hiatrika ny fidirana @ fianarana eny amin'ny Université dia misy ny Cours Informatique spécial bachelier(e)
ato amin'ny Ass. SOFIAMAD.
Tadidio fa @ système LMD ankehitriny, raha tsy raraky an-dalagna da lany vola-be gny olo tsy mahay mampiasa ordinateur tonga egny amin'ny Université.

- Droit d'inscription:
35 000Ar (25 000Ar pour les 10 premiers inscrits)

Toerana : Bureau Ass. SOFIAMAD
INFOLINE: 034 31 446 86 - 0342138739

Place très limitée!!

Remarque: Place roa sisa hoan'ny Professionnel ( Raha misy olon-dehibe liana te hahafehy ny fampiasana Ordinateur agny)

Photos 23/10/2017

Tolotra maimaika hoan'izay liana! " Fa ny fianarana no lova tsara indrindra"

13/10/2017

Eritreritra sendra nandalo noho ireo fizarana fitserana, alahelo sy ranomaso ato amin'ny Facebook ataontsika Malagasy namana maro. Efa tsara raha mahay mampiseho fientanam-po malahelo an'i Madagasikara noho ireo trangan-javatra manjo azy ny Malagasy. Saingy tsy afaka hanova na inona na inona @ izay miseho eto amin'ity nosy ity akory izay ranomaso na dia 1000 cuves de 5 m3 isan-tsegondra aza no alatsaky ny teratany Malagasy eto an-toerana sy ny any ivelany. Mitaky fandraisana andraikitra sy fahatongavan-tsaina handray an-tanana ny fiainany sy ny taranaka handimby azy i Madagasikara ankehitriny. Nefa mba firy amin'ireo malagasy izay efa teraka sy izay efa miteraka ka manabe zaza ankehitriny no mba misaina izany!!!?

07/10/2017

FILAZANA MAIMAIKA !!!

05/10/2017
Want your business to be the top-listed Beauty Salon in Manakara?
Click here to claim your Sponsored Listing.

Category

Telephone

Website

Address

Lot 7H 339 Ambalakazaha Sud
Manakara
316