Andriamandimby Bebe Alin

Andriamandimby Bebe Alin

Share

Fraternité, l'égalité, liberté

Photos from Andriamandimby Bebe Alin's post 13/03/2025

Firaisankina no Hery entina mampivoatra ny tanagnantsika, isaorako Vahoako ato Kalandy ny

25/11/2024

Mbola hiara_Hizotra Mankany @ Fampandrosoana C/R KALANDY ve Isika?

Izahay mbola vonono hitarika ka hametraka ny Kaomininan_tsika ity mba ho sangany @ Fivoarana.

Fidio Num 3 ! Bebe Alin Andriamandimby vonono hitarika @ Fampandrosoana ny tanagnantsika ity

Photos from Andriamandimby Bebe Alin's post 06/10/2022

Fisaorana sy Fankasitrahagna

Fisaorana sy Fankasitrahagna Feno no atolotray hoanareo rehetra nagnampy tamin'ny fahavitan'ireo fotodrafitr'asa rehetra Vita tato @ Fokontany Andampihely C/R KALANDY (Lakozy be, salle d'attente, Bureau PHAGECOM ; Bazarin-dako Ambodivoarahely sy Vovon-drano, Bureau Fkt, sns), sy Fanomezana Jiro 4+2 ; sy Fanampianantsika t@ Fahavitany Fikakarakarana ary Fanotronana t@ Lanonam-Pitokanana izay nataontsika t@ Alatsinainy le 3 octobre iny.
Ankasitrahina Manokagna :
➡️Mr le Député
➡️Mr le Chef District
➡️ Mme Zanatany
➡️Ny Vahoakany Kalandy, izay nampiseho Firaisankina sy nanao Aina tsy ho zavatra t@ireny, sy ianareo Benitanana rehetra, olom_Panjakana isantsokajiny tsy ho voatanisako eto avy. Mankasitraka e.
Any Antsatramalaza ny Fotoantsika Manaraka.

17/09/2022

Amin'ny Alatsinainy 3 octobre no Hitokanantsika ny Zava-bita ato @ C/R KALANDY toy ny :
➡️ Bureau PHAGECOM
➡️Lakozy be
➡️Salle d'attente (Andampihely ireo)
Ny ao Ambodivoarahely :
➡️Bazarin-dako
➡️ Biraon'ny Fokontany
ka Anasana antsika jiaby ho tonga hiatrika ny Lanonam-Pitokanana @ andro io.
Ny alin'io io moa vonona ny Mpanakanto Janga Ratah hanome Ambiance antsika.
Bebe Alin Andriamandimby, Manoely Njaka

Photos from Andriamandimby Bebe Alin's post 27/07/2022

Mahatsiaro sambatra izahay manana Vahoaka Mahay Miray hina, Liam-Pivoarana sy Liam-Pandrosoana, Mankasitraka ny Vahoaka rehetra ato @ C/R KALANDY Manokagna izahay androany. Ianareo no andry iankinany Fampandrosoagna tanagnantsika ity, mandroso izy ity nohony ianareo sy antsika. Mankasitraka e, Roso ny Diantsika @ Tanjona iraisantsika dia
Bebe Alin Andriamandimby, Alin Dox, Vanessa Rabedaza Alina, Yrvinia Randriamarolaza Elarmine Soafara

19/07/2022

@ alatsinainy izao no hatao ny Fitokanana Pont Maromitsidika ato @ C/R KALANDY

Photos from Andriamandimby Bebe Alin's post 28/01/2022

Ankoatrany tombotsoa maro azo avy amin'ny Hazo dia anisany manome endriky ny tanana koa ny fisiany Hazo eny an-tanana. Izay indrindra no antony nisafidiananay Mpiasany Kaominina ato Kalandy namboly Hazo morony Làlana mihazo ny biraon'ny kaominina iny sady ho Mora kokoa ny fanarahamaso azy eo ambanin'ny Maso. Tsy nijanona teo ihany fa novolena hazo koa ny eny amin'ny taniny kaominina manamoron'iny Sandrangita iny (izay ankaiky tanana ka heverina ho hanamora ny fikarakaragn'azy koa) ka zana-kazo manodidina 250 eo no voavoly.

13/01/2022

Roa taona latsaka izay no nandraisantsika ny Fitantana ny C/R KALANDY, tsy Mora fa tsy andisorana adidy sy andraikitra izay rehetra miseho. Isaoranay ny Vahoaka, ny Mpitondra Fanjakana, ny Mpandraharaha, ny zanakampielezana, ianareo namana mpanolokevitra rehetra, sns @ Fiarahamiasa.
Indro ary ho taterintsika eto ny zavatra kely izay vitantsika.
1-Fampianarana:
➡️Vita tranom-pianarana Masiakomby (9m L et 7m l)
➡️Mizotra eo @ 70%ny fanaovana tranom-pianarana ao FKT Ambalafary (2salle 14m andavany et 7m ampotony : tafo sisa)
➡️Vita dalage tranon'ny Mpampianatra tanana ireto: Ambatomena Fkt Ambalafary; Antsahameloko hely Fkt Antanandava; Ambinagny Fkt Anjobany;
➡️Vita dalage tranom-pianarana tanana ireto: Anjobany; Maromandia Fkt Antanandava; Ambohibe FKT Matsamaina; Maevahalana; Ampandrana

2-Fahasalamana:
➡️Fananganana tranon'ny Phagecom, Lakozie be, salle d'attente ao
➡️Nasiantsika Jiro ao @ Hôpitaux : Andampihely sy CSB 2 Kalandy (izay Fiarahamiasa t@ solombavam-bahoaka)
➡️Nanamboaran-tsika trano Fandraisan'olona manotro manokana i Nin'i Jatoly.

3-Fanatsarana ny tsena sy izay mifandraiky :
➡️Natsaraina ny tsena eto Kalandy: nasiana Pavillon maromaro, Estrade, Nasiana Télévision sy canal+
➡️ Natsaraina ny ao @ Pont Kalandy (sandrangita) : Bazar m**o ravigny, salle d'attente, sns
➡️Nanokafantsika tsenam-bokatra ao
➡️Efa 95% ny fahavitany -dako ao Ambodivoarahely Fkt Andampihely
➡️Efa masaka ny boriky 2 hetsy izay ampaham-boriky ilaina @ Fananganana Fotodrafitr'asa ao .

4-Làlana
➡️Vita Radier izay làlana tena nampikiaikaiky ny Vahoaka toerana ireto: Làlana mampintohy Anjobany sy Masiakomby; làlana ao Magnondrihely Fkt Antanandava; làlana mandeha Antsahameloko be sady novatsiana Fitaovana toy ny Baramina sns; làlana Vohitsara
➡️Nasiana Pont kakazo ny toerana Mila izany làlana mandeha@ireto tanagna ireto : @ vinagniny sandrangita sy lagnilezana;.any @ commentaires ny tohiny

09/01/2022

Anisany Paikady vaovao nentina nandrafitra ny teti-bola hiasany Kaominina Kalandy taona ity ny nanaovana ireo : Filohany Fokontany, solonten'ireo Sojabe sy Raiamandreny isam-Pokontany, solonten'ireo Vehivavy isam-Pokontany, solonten'ireo Tanora isam-Pokontany sy ireo zanatanana sasantsasany. Nilamina sy nirindra ny adihevitra ary voaray ny hetahetan'izireo. Natao izao mba nahafahana namantatra ny Tena 'ny Vahoaka.
e

08/01/2022

Alohany anomezan-tsika tatitra ny zava-bita nandritran'ireny taona ireny dia omenay eto aloha ny valiny Fanontaniana nalefan'olo vitsivitsy izay hoe: "Aiza avy ny Fokontany @ Kalandy hilany Andrefana sy Atsinana?", dia ireto izireo:
➡️Hilany Andrefana: Matsamaina, Farara, Maevahalana, Andampihely, Ambodivoarahely, Antsatramalaza, Ampandrana
➡️Hilany Atsinana: Ambalafary, Anjobany, Masiakomby, Kalandy, Antanandava, Antsahameloko be, Vohitsara, Ambodisaina.
Ireo ny Fokontany mandrafitra C/R KALANDY.
Kopatanana manokana hoantsika rehetra zanaka Kalandy e, tsindriagna manokana areo ao Farara fa efa masaka ao (misy hanamponan-draha fo izay)...

Photos from Andriamandimby Bebe Alin's post 11/12/2021

Miroso ny asa fanamboarana Ambodivoarahely ato @ C/R KALANDY

Want your business to be the top-listed Beauty Salon in Mandritsara?
Click here to claim your Sponsored Listing.

Category

Website

Address

Mandritsara
MANDRITSARA415