Prothésiste Dentaire
🩸 SADY HAINGO NOHO TOHANAINA 🩸
>>>>>👉Cont: 034.23.732.65 .
10/07/2026
🩸fomba fitezaina solonify
Mba hampahateza sy hadio tsara ny solonify (prothèse)misy ohatra tokony arahina isan'andro.
Ireto misy hevitra hevitra telo araka izany:
Ny fanadiovana isan'andro 🪥: Ny fomba fanao ny solonify amin'ny alalan'ny borosy manokana malemy mba hanalana ny sisa tavela amin'ny sakafo sy ny vato (tartar).
Ny fitehirizana azy amin'ny alina 🌙: Ny endrika maha-zava-dehibe ny fanalana ny solonify rehefa matory sy ny fomba fitehirizana azy ao anaty rano mba tsy hiova ny "loko"rehefa tsy anaovana (olona efa tena lehibe Mila manala isakalina)
Ny fikarakarana ny hihy sy ny vava 👄: Na dia manana solonify aza, dia mbola mila diovina tsara ny hihy sy ny lela mba tsy hisy aretina na fofona ratsy .
Ireto misy torohevitra fanampiny vitsivitsy hitazomana azy ho tsara hatrany:
Tandremo sao latsaka: Rehefa manadio azy dia asio rano ny koveta na asio lamba malemilemy eo ambany, sao latsaka ilay solonify ka vaky,
Fadio ny rano mangotraka: Ny rano mafana be dia mety hanimba ny plastika (resin),rano mangatsika no tena idealy.
Vokatrin nify banga tsy misy solony
Mpanao Solonify
07/07/2026
🦷 “Mila esorina tanteraka ve ny nify na ny fakanify vao afaka manao solonify ?”
Fanotaniana mpetraka foana ity ?
Tsy voatery 😊
Miankina amin’ny toetry ny fakanify no hanapahan’ny mpitsabo nify azy.
➡️ Raha mbola salama sy matanjaka ilay faka dia azo tehirizina. Tsy hoe “tampenana fotsiny” akory izy io fa tsaboina sy diovina tsara aloha mba tsy hisian’ny mikraoba na infection. Rehefa vita tsara ny fitsaboana dia afaka mijanona ao anaty hihy ilay faka nefa tsy mankarary na mivonto.
➡️ Fa raha simba loatra, misy infection, mihetsiketsika, na tsy azo tsaboina intsony ilay faka dia esorina aloha vao manao solonify résine.
Indraindray aza, ny fitazonana faka salama dia manampy :
✔️ hitazona tsara kokoa ny solonify
✔️ hiaro ny taolan’ny valanorano
✔️ ary hahazo aina kokoa rehefa misakafo sy miteny.
Noho izany dia mila fizahan’ny foana mialoha ny fanaovana solonify, fa tsy ataotao fotsiny 🙂
09/03/2026
"Tsara ho Fatatra"Mazàna isika rehefa marary ny nify dia ny ao antsaitsika voalohany dia ny hanala azy. 🦷 Mifanohitra amin’izay kosa anefa ny hevitrireo mpanambotra nify👨⚕️ raha mbola azo atao ny tsy manala nify dia tsy manala izy ireo fa mitsabo arak’izay azo atao satria betsaka ny fiantraikany ratsin’izany eo amin’ny fahasalamana toy ny :
✅Mahatonga olana eo amin’ny fandevonan-kanina : Satria tsy voatsako tsara araky ny tokony ho izy ireo sakafo🍲 ka lasa ny vavony no manao ny asa tokony ataon’ilay nify.
✅Mampiova ny firafitry ny nify sy ny tarehy : Rehefa banga ny nify dia ireo nify tavela no miezaka mameno ireo banga ka mapiova ny firafitry ny nify sy ny valanorano. 🙂
✅Manana fahasoratana miteny : miova amin’ny mahazatra ny fiteny rehefa banga, misy ny teny mety tsy sarotsarotra vao voateny.🗣️
✅ Mahatonga olana eo amin’ny fo sy ny diabeta ny nify banga : satria mora amin’nireo mikraoba ny mitoetra eo amin’ny hihy ary izany indrindra no mahatonga ny aretina ahazo vahana rehefa ratsy fikarakarana ny vava ka mahatonga ireo karazana aretina maro. 👌🏼"
Click here to claim your Sponsored Listing.
Category
Contact the business
Telephone
Website
Address
Namontana
