Haremiko ny tenako
Haremiko ny Tenako – Pejy natokana ho an’ny vehivavy manarina ny tenany, mifoha amin’ny ratra ary manorina fiainana vaovao. "Hery. Fahendrena. Fitiavana ny tena."
Fanontaniana kely androany 👇
Inona no zavatra iray tokony hatsarainao amin’ny tenanao amin’izao ?
❤️ fomba firesaka ?
❤️ faharetana ?
❤️ fifehezan-tena ?
❤️ fitokisana tena ?
Tsy mila tonga lafatra isika.
Fa mila manomboka.
🩷 Haremiko ny tenako
Valio amin’ny commentaire 👇
16/05/2026
Tsy ny fiainana no sarotra foana… indraindray isika no mbola tsy vonona hiova.”
Misy fotoana isika malahelo, kivy, tezitra amin’ny fiainana.
Fa misy fanontaniana iray mila atrehintsika :
“Inona no anjara andraikitro amin’izay iainako ankehitriny ?”
Ny fanovana lehibe dia manomboka amin’ny fandraisana andraikitra kely.
🩷 Haremiko ny tenako 🩷
💬 Question engagement :
Ary ianao, inona ny zavatra tianao ovaina amin’ny tenanao amin’ity volana ity ?
Que mes pensées me soutiennent, qu'elle soit constructive. Je veux laisser venir les idées 🌷
🩷 Haremiko ny tenako🩷
Ny andraikitra dia tsy enta-mavesatra.
Fa hasina.
Hasina omen’ny fiainana ahy,
mba hianarako hitondra ny tenako am-pahendrena.
Tompon’andraikitra aho rehefa mahatsiaro fa:
ny teniko dia manana hery,
ny fihetsiko dia mamorona lalana,
ary ny safidiko dia manova ny vintana ananako.
Tsy miandry ny hafa hanitsy ny fiainako aho.
Tsy manome tsiny ny toe-javatra aho.
Fa mijoro amim-pitoniana,
manaiky ny anjara birikiko,
ary mandroso amim-pahatsiarovan-tena.
Satria ny tena hery dia tsy ao amin’ny feo avo,
fa ao amin’ny fanekena sy fanajana ny adidy napetraka tamiko.
Ary ianao,
inona no dikan’ny andraikitra eo amin’ny fiainanao andavanandro?
🩷 Haremiko ny tenako 🩷
🧎♀️➡️
Androany aho manampy taona.
Tsy hanisa taona fotsiny,
fa hanisa fahendrena, lesona ary fitahiana.
Misaotra ny lalana nodiaviko,
misaotra ny fanahiko tsy nilaozako,
ary misaotra ny fiainana mbola atolotra ahy.
Amin’ity taom-baovao iainako ity,
mifidy fahazavana aho,
mifidy fandriampahalemana,
ary mifidy ny tenako. 🌿
"HAPPY BIRTHDAY"
✨ Haremiko ny tenako
🧕 Haremiko ny tenako.
Nisy andro iray tsy nisy tabataba…
fa nisy feo tao anatiko namoha.
Efa ela aho no nanome, niaritra, nangina.
Izaho indray no nanjary vahiny tamin’ny fiainako manokana.
Fa androany, izaho no fidiko.
Tsy noho ny fireharehana,
fa noho ny fanahiko izay mangataka fitsaharana.
Haremiko ny tenako.
Ary amin’izany no ahafahako mitia marina. 🌿
Omeo fitiavana.
Manomboka taona vaovao isika izao.
Avelao ny lasa mampalahelo.
Click here to claim your Sponsored Listing.
Category
Website
Address
Toamasina
501

10/06/2026