Centre Hospitalier de Référence de Distrct Ambatolampy
minsan104
16/06/2026
Misaotra An'Andriamanitra namaly vavaka,Misaotra ny fitondram-panjakana Fanavaozana ankehitriny,N'y Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka fa ELA izay ka hisitraka n'y Tolotra momba n'y radio rehetra amin'izay isika eto Ambatolampy fa tsy Mila mandeha lavitra intsony,
Miarahaba tompoko. Ny Association TSIKY RUN dia tonga indray eto amin'ny Hopitaly CHRD Ambatolampy na Hopitaly be ny 25 au 29 Mai 2026 manomboka amin ny 7ora maraina hanatanteraka fandidiana zaza maimaim-poana.
** Ny hodidina amin izany dia ny sima, ny hernie (hernie inguinale na ombilicale), ny tsy fahatomombanan'ny fitaova-pananahan'ny lehilahy (ectopie testiculaire, phimosis, hypospadias)
✓zaza tokony mihoatra ny 9 kilao no afaka didiana
** Ny Alatsinainy 04 Mai hatramin'ny 22 Mai 2026 ny fisoratana anarana eto amin'ny Hopitaly Be ka eo amin'ny vavahady no manotany ny tompon'andraikitra. Ka ny andro sy ora fiasana no hanatanterahina izany.
NB: Ny fandidiana sy fandraisana an tanana ny marary dia maimaimpoana daholo.
** Ny fizahana alohan'ny andidiana dia atao ny 25 Mai 2026 amin'ny 7ora maraina ka miankina amin'izay no hoe afaka didiana na tsia
17/02/2026
Avec Direction de la Promotion de la Santé – J’ai une série en cours ! Je suis super fan depuis 9 mois d’affilée. 🎉
17/02/2026
Avec DGFS Direction Générale de Fourniture des Soins – J’ai une série en cours ! Je suis super fan depuis 9 mois d’affilée. 🎉
02/02/2026
Avec Santé Mada Connect – J’ai une série en cours ! Je suis super fan depuis 4 mois d’affilée. 🎉
22/01/2026
Mitohy hatrany ny fandraisana an-tanana ireo Zaza mivadi-tongotra ,Miivelatra n'y fiaraha-miasa miaraka amin'ny SAIOMF MADA .
Maimaim-poana ny fitaovana ampiasaina plâtre,attelle,fanafody handidiana.
Sarany kely no aloa isaky ny fotoana handraisana an-tanana.
Isaky n'y Talata aty amin'ny service Kinésithérapie CHRD Ambatolampy
Ho ento ary ireo Zaza mivadi-tongotra 3 andro ka hatramin'ny 3 taona hisitraka fahasitranana .
Fiadanana
FANONTANIANA 1: Mahafaty ve ny virus mpox (variole du singe)?
👉 TSIA, tsy mahafaty amin’ny ankapobeny, fa METY hahafaty amin’ny tranga sasany.
Ny ankamaroan’ny olona dia sitrana tanteraka ao anatin’ny 2–4 herinandro.
⚠️ Ny fahafatesana dia miseho indrindra raha:
🤕zaza kely no voa,
🤕olona efa marefo:
📍VIH tsy voafehy,
📍diabète tsy voafehy,
📍insuffisance rénale,
📍olona vesaran'ny tsy fanjarian-tsakafo,
📍bevohoka,
📍Ireo misy fahasarotana mitarazoka tsy voatsabo.
FANONTANIANA 2: Inona no symptômes misy mampiahiahy fa misy fahasarotana?
Ireto soritr’aretina manaraka ireto dia tsy maintsy tsaboina any amin’ny hopitaly avy hatrany fa 👉 Ireo no formes graves.
💥Hafanana avo tsy mety midina
💥Fery be dia be, miteraka fivontosana na "inflammation" 💥Fery misy nana naloto nohon'ny "surinfection bactérienne"
💥Fanaintainana mafy, indrindra amin’ny faritra anaty (ativava, ati-tenda, lava-body sy ny manodidina azy, ankasarotana (faritra manodidina ny fivaviana na filahiana).
💥Fahasemporana,
💥kohaka,
💥fanaintainana taovam-pisefoana (fahavoazan'ny avokavoka)
💥Fikorontanan-tsaina,
💥Fanintona na toratorana "atteinte neurologique"
💥Tsy fahampian-drano nohon'ny fahaverezan-drano na tsy fisotroana, mety nandoa be na nivalana)
FANOTANIANA 3: Misy protocole de traitement ve sa miandry vaksiny fotsiny?
ENY, misy protocole fandraisana an-tanana, na dia tsy misy fanafody manokana hamonoana ilay virus aza.
🔹 Fitsaboana ampiharina amin’ny ankapobeny:
🩺Fampiasana fanafody manala fanaintainana sy fampidinana hafanana,
🩺Fanampiana rano, solution de réhydratation,
🩺Fikarakarana ny fery raha ilaina, fanadiovana fery,
👾 Atokana efitra ny marary raha azo atao mandra-pahasitranan’ny fery rehetra (milatsaka ny takompery).
👉 Ny fanafody Antiviral dia ampiasaina amin’ny formes graves ihany, any amin’ny hôpital manokana, tsy mbola hita betsaka eto amintsika.
👉 Ny vaksiny dia natao ho FISOROHANA fa tsy fitsaboana, fisorohana ilay aretina, fisorohana ny tsy hivoaran'ny aretina ho lasa formes graves.
🏆Ny vaksiny dia atao ho fisorohana, indrindra rehefa nisy contact akaiky.
FANONTANIANA 4: inona ireo tena zava-dehibe tokony atao sy tsy atao?
✔️ Fanaraha-maso ara-pitsaboana akaiky
✔️ Fanokanana efitra na toerana ny marary mba tsy hifindra amin’ny hafa
✔️ Fahadiovan'ny tanana sy akanjo
✔️ Fisorohana ny fifampikasohana amin’ny fery
✔️ Sakafo manankarena protéine sy zinc hanarenana ny hoditra
✔️ Fialana amin’ny:
fikitikitihina fery sy
fitsaboana tsy voaporofo amin'ny
fanafody manimba aty na voa
HAFATRA:
👾 🐒Ny Mpox dia tsy aretina mahafaty amin’ny ankapobeny,
Mety hiharatsy raha marefo ny vatana na tara ny fitsaboana
Aza MANAHY...
🐒🐒 Raha tsy misy vaksiny azo atao, natsy te hanao vaksiny dia:
🔑 mitandrina fatratra amin’ny fahadiovana,
🔑 Mitokana efitra rehefa misy soritr’aretina,
🔑 Manala tanana matetika.
🔑 Mampiasa masques amin’ny toerana ifandraisana akaiky.
🔑 Tsy mizarazara akanjo, servieta, na fitaovana amin’ny hafa.
📌📌📌 Raha misy soritr’aretina mampiahiahy dia manatona hopitaly avy hatrany .
Rahambola misy fanontaniana tsy voavaly any ho any dia anontanio izay mpitsabo akaiky anao indrindra. Araho hatrany n'y vaovao ofisialy omen'ny Ministera tompon'andraikitra.
Amin'ny manaraka indray.
Samy Salama no tsara.
06/01/2026
Arahabaina isika rehetra omen'Andriamanitra tombony afaka nahatratra ity taona vaovao 2026 ity.
Mirary.soa.ho antsika rehetra MBA hamindran'Andriamanitra fo ka hahomby amin'izay Atao hatrany.
Mitohy foana n'y fitsaboana Zaza mivadi-tongotra eto.amin'ny CHRD Ambatolampy service Kinésithérapie.
Efa betsaka ireo sitrana tanteraka Ary misy koa ireo efa manao atelle sisa no.dingana farany iaraha miasa amin''y Ray aman dReny toy izao hita amin'ny sary izao.
Ento Ary izay hita fa mbola manana tongotra mivadika any,manomboka amin'ny zaza 3 andro ka hatramin'ny 3 taona.
Fiadanana
Click here to claim your Sponsored Listing.
Category
Contact the business
Telephone
Website
Address
RN7
Ambatolampy
104
