Enfantia
Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Enfantia, Itaosy, Antananarivo.
Votre espace de confiance dédié aux articles pour enfants, combinant le bonheur d'une style unique de qualité et de sécurité dans le confort absolu
Parce que chaque enfant🙋 mérite l'excellence✨️
☎️☎️0347659922
01/10/2026
🌼 Tongasoa indray ny Oktobra !
Volana vaovao indray…
volana iray hafa hitondrana tsiky, fahasalamana, fahombiazana ary fotoana mamy miaraka amin’ireo zanatsika. 🤍
Ry maman, enga anie ity Oktobra ity hitondra hery vaovao ho antsika, fahasambarana ao an-tokantrano ary zavatra tsara maro ho an’ny ankizy. ✨
Ary na inona na inona hitranga amin’ity volana ity, aza adino ny mankafy ireo fotoana kely miaraka amin’ny zanakao… fa ireny no tena lasa fahatsiarovana tsara indrindra. 🥰
💛 Enfantia — grandir avec joie.
Mirary Oktobra feno fitahiana sy fahombiazana ho anareo rehetra! 🌼
22/09/2026
🔥Vaovao be 🔥
Manomakomana zavatra milay be ho anareo izahay ry maman an ❤️
Tinareo ve raha asiantsika an’izao ato amin’ny Enfantia 🥰 Mbola échantillon ihany aloha no nataonay hahitanareo ny patiny.
Ity modèles ray ity zao an
🌸ensemble stich
🌸 coton graté 180 g ny lambany
🌸misy capuchon
🌸finition tsara be.
💛pour 3 ans uniquement 💛
Prix de lancement :🤑 29000 Ar🤑
Stock très limité
Mp ou 034 76 599 22
Enfantia- Grandir avec joie
21/09/2026
UN PETIT PAS POUR LUI… MAIS UNE GRANDE ÉTAPE POUR VOUS. 👣🥹
C’est justement ce qu’on a aimé sur ce modèle :
✨ Doublure confortables pour un contact agréable avec le pied
✨ Semelle en caoutchouc antidérapante pour une meilleure adhérence
✨ Fermeture à scratch : facile à mettre, facile à ajuster
✨ Et ce petit design blanc et bleu… simple, propre et tellement mignon. 🥹
Pour les petits pieds qui commencent à prendre confiance… 👣
📩 Pointures et prix disponibles en MP.
Enfantia — grandir avec joie. 💛.
21/09/2026
🔥Mbola complet tsara daholo ve ny fitaovan’ny zanakao ry maman ? 😅
Sa efa misy zavatra tsy hita…
Sa efa misy zavatra nitombo indray aza ? 👀😂
Mba zarao ao amin’ny commentaire aloha hoe ahoana ny situation anareo any 🫠🫠
Fa ankoatra izay…
mirary herinandro vaovao milamina, feno fahombiazana sy fahasambarana ho anareo sy ny zanakareo rehetra. 💛
Bonne semaine ry maman ! 🥰
— Enfantia, grandir avec joie.💛
Mahita an’izao hatsarana kiraro mahafatifaty kely izao ❤️
🌸Confortables
🌸mafonja
🌸mahafatifaty
🔥Pt disponible: 15 , 16
🤑 izany rehetra izany no 26.000 ar fotsiny.
17/09/2026
👣 Ny premiers pas an’ilay zanakao… fotoana tsy hiverina intsony. 🥹💕
Raha misy ny zavatra tena mampihetsi-po ny maman …
Dia anisany ilay fotoana voalohany hijoroan’ilay zanany, dia manao pas kely… iray… roa… 👣
Mbola somary mihozongozona, mbola mitady équilibre, fa izy kosa mijery azy sady faly no somary matahotra ihany. 🥹❤️
Dia amin’io fotoana io indrindra no ilaina ilay kiraro maivana sy mahazo aina, mba hahafahan’ilay kely manao ny premiers pas-ny am-pitoniana.
🤍 Petit modèle, pensé pour les petits pieds
🎀 Mora ampiarahina amin’ny tenue rehetra
👣 Mety tsara ho an’ireo dingana voalohany
Ary jereo ange ilay endriny e… 🥹
Tena ilay kiraro tianao hahitana ny zanakao manao ny premiers pas-ny.
💰 26.000 Ar
📏 Pointures 15 & 16 🤍
📩 Commande en MP ou au 034 76 599 22
🚴♀️Livraison partout à Madagascar
14/09/2026
Latsinainy indray ny andro, Maman… 🥹❤️
Ndao indray e!
Efa maneno ny réveil, mbola te hatory ianao…
efa maika be, ny iray mbola tsy nifoha, ny iray indray tsy te hihinana, dia mbola misy koa ilay hoe « Mamaaa, tsy hitako ny kiraroko ! » 😅
Indraindray tena mandreraka ilay maraina.
Mety ho tonga mihitsy aza ny fotoana ka very patience ianao, miteny mafy, tezitra… avy eo rehefa lasa ilay zaza dia mieritreritra hoe: « Sao dia mafy loatra ny teniko teo… » 🥹
Fa na izany aza , aza dia hiferetan’aina loatra.
Tsy voatery ho parfaite ianao vao ho Mama tsara.
Tsy voatery ho milamina foana ny andro.
Tsy voatery ho marina foana ny fomba rehetra ataonao.
Ny zava-dehibe dia ilay ezaka ataonao isan’andro.
Satria eo am-piainanao izao, mety ho toa zavatra madinika fotsiny ny ataonao…
Ny mampianatra azy hiteny hoe « misaotra ».
Ny mampahatsiahy azy hoe aza mamitaka.
Ny miteny aminy hoe hajao ny hafa.
Ny manitsy azy rehefa diso.
Ny mampianatra azy hamita izay natombony.
Ny mamihina azy rehefa malahelo izy.
Ny mihaino azy na dia reraka aza ianao.
Fa ireny zavatra madinika ireny no mamolavola azy.
Androany izy mbola zaza mitazona ny tananao rehefa miampita lalana.
Fa rahampitso…
izy no ho olona handray fanapahan-kevitra samirery.
Izy no hifanerasera amin’ny olona.
Izy no hanana ny nofinofiny sy ny ady hatrehiny.
Ary ianao, Mama, dia manefy tsikelikely an’ilay olona ho lasa izy.
Koa rehefa reraka ianao androany, tsarovy fa tsy mandeha fotsiny ny andro.
Mitaiza ianao.
Manabe ianao.
Mampianatra ianao.
Manomana olona iray hiatrika izao tontolo izao ianao. ❤️
Mirary herinandro milamina ho anareo, Mama. 🌷
Ndryyy 🥺🥺
Tena pao-tsatroka ho anareo maîtresse fa tena tsy mora ny miatrika an’izao 🌸
Courage be ihany koa ho an’ny ray aman-dreny 🧏♀️🙍♂️ malahelo kely sy ontsa ery manatrika an’izao.
Tsy ho ela dia lasa fanalana azy fiomehezana sisa izao😆😁😁
Izahay eto amin’ny Enfantia dia mirary soa sy fahombiazana ho an’ny harenakely isany.
Enfantia - Grandir avec joie 💛
📷Horonantsary Indrana
10/09/2026
Ny bandikelinareo koa ve mbola mitomany rehefa handeha hianatra? 🥹
Efa ezahina tambatambazana, efa lazaina daholo izay mety hampahery azy… fa tsy laitra mihitsy 😂
👉 Ity kiraro mirehitra ity no vahaolana e! 😅👟✨
Mirehitra rehefa mandeha izy, ka sady mahafinaritra ny zaza no lasa manana zavatra kely mampientanentana azy rehefa handeha hianatra. 🥰
Indraindray, tsy mila zavatra be akory… zavatra kely tian'ny zaza dia efa ampy hampifalifaly azy. ❤️
👟 Kiraro mirehitra — pointure 23
💰 20.000 Ar ihany
📩 mp malaky na antsoy ny 034 76 599 22
Modèle unique ireo an 🥰
🚴♀️livraison partout à Madagascar
Enfantia ❤️ Grandir avec joie
09/09/2026
🥶 Tena mbola ririnina isika izao ry Maman an!
Omaly marina tena namirifiry , sady manorana no mandrivotra… 🥶🌧️💨
Tena arovy 🚨amin’ny hatsiana ilay harenakelintsika mandeha mianatra fa vanin’andro toy izao ilay mamparary sy mahavoan’ny tazo mahery .😷
👉 Aza avela hivoaka tsy misy écharpe sy bonnet fa aleo mafana tsara izy rehefa mandeha mianatra. ❤️
Mbola manana stock vitsivitsy ny Enfantia amin’ity ensemble écharpe 🧣 sy bonnet ity ka tongava malaky ao amin’ny mp sao lany.
🤑15.000 ar fotsiny dia afaka miaro ny zanakao amin’ny aretina .
💬 Mandefasa MP malaky na antsoy ny 034 76 599 22
🚴♀️livraison partout à Madagascar
enfantia — grandir avec joie 💛
Website
Address
Itaosy
Antananarivo
Alerts
Be the first to know and let us send you an email when Enfantia posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.
