Rasazy Mendrika
Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Rasazy Mendrika, Health/Beauty, Ankadifotsy, Antananarivo.
« Aucune femme ne doit mourir en donnant la vie »
☎️WhatsApp: +261 34 81 417 47 (SF Mendrika)
👉 Ora fiasana ihany no afaka mamaly sy mandray appel (Lundi au Vendredi: 8h-11:30 / 14h-16h)
❌Tsy misy MP ny pagetsika fa ialana tsiny indrindra tompoko 🙏🏻
27/08/2026
Tsy voatery hiatrika ny travail irery ianao rehefa any amin’ny toerana hiterana fa afaka misafidy olona iray na roa na mihoatra izay tianao sy atokisanao hiaraka aminao 😍
Ilaina be ny fanohanana ny vehivavy bevohoka indrindra rehefa tonga ilay fotoana iray hietsen-jaza iny (Travail) 🤰
🌸 Ireto avy soa entin’ny accompagnant:
✅ Manome soutien moral: mampitony, mampahery ary mampihena tahotra
✅ Manampy mandritra ny contractions: mitazona tanana, manao massage @ lamosina, manampy @ position
✅ Manampy @ zavatra ilaina: rano, serviette, fanovana position etc..
✅ Manome fahatsapana fiarovana: indrindra rehefa ela ny travail na reraka ilay Reny
Ny tena zava-dehibe dia olona milamina, mampahery ary manaja sy safidin’ilay Reny hiatrika fiterahana fa tsy olona mapitombo stress akory 😊
👉 Tsy hoatery vady fa na Reny, na Rahavavy na izay akaiky anao dia mety foana ♥️
Mirary soa ho an’ireo miandry zazakely rehetra 😍Mentionneo ao ilay olona tinao hanaraka anao rehefa ilay hiteraka iny 😄
❓Na mba tantarao anay hoe iza nanaraka anao tamin’ny niteraka de nanao ahoana❓
✍️Rasazy Mendrika
24/08/2026
❓Iza daholo ilay Rasazy efa nampiteraka ny mpiray tampo taminy tato ❓🥹😍
Challenge ngeza be tamin’ny tantarako (Rasazy Mendrika) izany hoe:
« Indray andro any izaho no hampiteraka ny zandriko » 🤞🏻🥹😍
🌸Tena fière amin’ny tenako aho satria vitako na dia tsy azo atao loatra aza satria mifangaro ao daholo ny émotion ka mety hampanaonao foana raha sanatria tsy voatandrina izany🥹🥰
🌸 Fotoana iray tena nametrahako hoe hiezaka aho hipetraka amin’ny maha Rasazy ahy androany ary vita daholo ny acte rehetra(accouchement sy ny CPON) vao nilatsaka ny ranomasoko ary teo vao nangovitra sady tsy nino hoe vitako ihany, VITANTSIKA aki hoy aho mantsy azy mianaka kely 🥹♥️
🌸 Accouchement dystocique fa tena nasehon’Atra ny miracle ary isany hitenenako foana rehefa sendran’ny accouchement dystocique aho hoe: « Tena miasa Andriamanitra amin’iny fotoana iny, fa fitaovana fotsiny ny Rasazy sy ny Mpitsabo » 🥹
DPA: 01/09/2026 G1 P0 (Primipare na zaza voalohany) 🥰
Faly aho reto anh 🥹♥️Tena mamy loatra 🥰
(Sery vitan’anamalaho nenay 😄)
Iza daholo ilay DPA fin Août na début septembre efa teraka ato❓
17/08/2026
Tato nividianako an’io robe io ho anareo manontany oh 🥰 Tonga hatrany Nosy Be mihitsy ♥️
Mirary soa ny Entre Filles foana 😍
Ity sarin’i Rasazy Mendrika ity no hankasitrahanay anareo mpanohana rehetra teo foana ary mbola ho eo foana ho anay 😍🥰😍🥰
Pause kely aloha ny ekipa . 27 Août indray izahay miverina manome ny tsara indrindra ho anareo 🏝️🌺🥹
14/08/2026
Ohatran’izao ny zavatra tsapanay Rasazy rehefa ilay mi-toucher anareo iny rehefa tonga ilay andro 1😄
❓Manomboka firy cm amin’ireo ilay tena tsy zakanareo intsony ny douleur? Tantarao hoe ❓😍
14/08/2026
🥰
13/08/2026
Coucou daholo 🥰
Androany zah te hisaotra manaokana ity olona mpanao ny maquillageko ity fa hatreto izy irery ihany no tena nahatafavoaka tsara ny zavatra nilaiko ♥️
Vitany tsara nitravailler io volomasoko mapme kely io 🙈💐
Rakotoasimbola no anarany entiny ato @ Facebook
Produits authentique azo antoka tsara ny ampiasainy 😍
👉Tsy misy atahorana ho antsika manana peau sensible(ny ahy ny tarehiko sensible tsy mba omeko kitikitihan’olona fahatany sy produits fahatany izany)😉
Très satisfaite foana amin’ny asany 👌😍
🌸Tsy misy filtre ireo sary ireo na 1 aza, misy sary efa hariva vita ny nilana azy fa mbola ao tsara foana, tsy mitsonika izany sady tsy mivadika gris gris ny tarehy 🥰
06/08/2026
Koa satria maro be ianareo no nanontany ilay astuce nampiena ahy( ny kibo indrindra indrindra)
Mai 2026 aho no nanomboka régime: 59kg ary 53kg amin’izao(io no poids mahasalama ahy kokoa fa tsy mahiy loatra na hoe mijaly akory 😄🙈)
Ilay izy aloha tsy misy magie magie fa tena mila finiavana sy fandavan-tena be mitsy ary tsy tonga dia miala eo no eo ny kibo fa mandeha tsikelikely miaraka @ tavy ratsy rehetra😄💪🏻
👉 Ho ahy manokana dia olana ara-pahasalamana no tsy maintsy nandraisana décision ka nanamboarana ny sakafo. Ary tsy izay mety amiko dia mety aminareo fa ho ahy manokana nisy analyse maromaro natao vao afaka nanapa-kevitra hoe ireto avy izany no sakafo tokony hoanina
👉 Ny sakafo no tena base, namboarina ho ara-pahasalamana kokoa(misy mbola tsy de norme ary ireo @ sary alefako ireo fa matetika izay misy ao atrano fotsiny no atambatro 🙈 )+ misotro rano be (2l par jour ny ahy no tsy maintsy laniko minimum) fa ireo aloha no vitako dia netiko milamina teny 😅🙈Déjeuner ireo fa ny petit déj fruit 1 sy yaourt nature sans sucre de rano mafana 1 tasse. Ny dîner légume na yaourt sans sucre kely(sakafo maivana)
👉 Ny fast-food toude natao bye2, sucrerie toy ny gâteau, glace, jus gazeux etc… 👋🍔🍟🍕🌮🍦🧁🍰🍧🍝🎂
👉 Indraîdray manao jeûne prolongé na intermittent rehefa le madiditra kely iny 🙈
👉 Tsy nikotrana aho fa ny asako efa mafy2 ka mihezaka mandeha tongotra kely izay vitako aho indraindray…
Izay fa aleo aleo mizaha fahasalamana ihany aloha faza manaonao foana anh 😊
Zay Maman fa courage daholo de tena mila ezaka fa tsy vitan’ny 1jour sy 2jour io fa tena fanitsina ny habitude de vie 😘
06/08/2026
Hitanareo ve ny différence?
Mars 2026 vs Août 2026
Mbola mafimafy ny combat 💪🏻🤞🏻♥️
04/08/2026
Any @ Somaroho izany isika miaona rapitso oh 🥰
Efa aty Nosy Be koa i Rasazy Mendrika
Voilàvoilà Magazine
Efa vonona izahay fa ianareo sisa anh 👩🏼⚕️
Click here to claim your Sponsored Listing.
Category
Contact the business
Telephone
Website
Address
Ankadifotsy
Antananarivo
