Chel Manantsoa
Ny teny Malagasiko
No voa hafafiko
18/10/2023
NAMOY FO!
Tovolahy tanora fo
Tsy zatra nitia
Tsy mahay abidia
Amin'ny resaka fitia
No mba sendra
Ny antsinao nilangalanga
Voatsindrona fa jamba
Hay ianao mpijangajanga
Manjono dia mamitaka
Irony zazalahy irony
Tsy nahalala intsony
Fa voabedanao ny fony
Dia nitia tanteraka
Lavaka lalina midanadana
Fotaka madinty sy malama
No natsotranao hombana
Ka solofaka ny tenany
Hay ianao irony
Vehivavy mpitetitety vony
Mitsetsitra dia lasa..
tsy hita intsony
Nikopaka ny elany
Maratra izao ny fony
Izy mba namelatra
Nitia anao tanteraka...fa lasa ianao nikop'elatra
Namoy fo ialay zazalahy
Zary tsy mamin'ny intsony
Itony tany itony
Naleony makany ambony
Teo Atanjombato
No hita tato ho ato
Maniriniry varambaram-bato
Ny maraina ny zoma
Sahabo tamin'ny valo
Iny vatan-Dradehilahy
Mitsengevana mitopatopa
Tambon'ny ranon'i Kopa
Namoy fo ilay namako
Sambany vao nitia
Tsy mahay abidia
Amin'ny resaka fitia
Ny fony izay malia
Dia noimbonan-damako
Nahavita nankafy
Ny famoizana ity tany ity...Maty ialahy ry akama
Nofitahin'ireo menarana
RAZAFIMANANTSOA
29septambra 2023@7ora sy 19minitra
27/09/2023
TIA
Miverina ho tsotra
izao ny refin'ny fitiavako
Dia nanaraka ny zotran'
ny famindranao rahavako
Tsy nisy izay fisalasalana
Fa mandia, dia manaraka
Na hizotra anaty tevana
Na hivoana anaty lavaka
Nanomboka nankafy
Nakamamy ny fitia
Lasa izay tianao
No lasa tiako
Lasa izay nirianao
Dia lasa niriako
Matetika aza voatetintsika ny tontolo
Tsy nisy ohatrantsika
Na fitafy na bika
Ianao moa sariaka
Vaomaika nipariaka
Nanobaka ny foko
Ny herin'ny fitia notrotroko
Fa izay any aminao dia lasa mamiko daholo
Feno antsika ny tany
Voaravakao ny misiny
raha ianao sendra tany ho any
Tsy nitondraka ny lisiny
Makamamy anao aho
Eny makamamy anaty
Ry vonin-draozy tsy hihitrana aman-taho
fa amelana mandra-maty
Ianao ilay tokana mamiko tsy misy mahasolo
Na iza andalo eo
Na iza hitoreo
Maniriniry ny fitiavako
Tokana ilay teniko teo
Tiako ianao rahavako
Omeko ny fitiavako
Ary amelana anaty ianao fa tsy hobobongolo
RAZAFIMANANTSOA
7 Febroary 2022 6ora sy 18 minitra
21/09/2023
EO IANAO
Dimy taona izay no lasa
Tsy nisy tanteraka daholo
Izay rehetra nokinasa
Vao mainka nampitrangam-bolo
Dia inona indray no hitranga?
Ny taona dimy manaraka
Ny fahasimbana efa manangasanga
Tsisy holovain'ny taranaka
Mbola hihino va ianao?
Ny fampanantenana diso toerana
No re ny sofinao
Fifaliana indray niserana
Ho avy ny fifidianana
Ny ZO antsika vahoaka
Dia laranan'iza no mibahana?
Iza koa no tena hanapoaka?
Ao ny fangalaranam-bato
Dia ao koa ny mividy ZO
Amin'isa amanjaton-jato
Fa mba te ho filoha
Ny fandresena lahatra
Efa mameno ny arabe
Iza no tena filamatra?
I RAKOTO sa RABE?
Dia mitovy ihany ny atao
Rehefa nahazo seza
Avelany hiady eo ianao
Homeny ny mahereza
Raha izaho manonkana aloha
No terana handrotram-bato
Dia eo ianao ry ho Ingahy filoha
Fa ny olako ary ity tsy latsakin'ny zato
RAZAFIMANANTSOA
15septamdra 2023 @ 7ora sy 45minitra
21/09/2023
TIAKO HANDALOVANA
Te ho feheziko izao tontolo izao
Hoy aho niteny irery eto amoron-dranomasina
Te ho fihiniko koa ianao
Amin'izao minitra izao
Amin'izay isika mba samy mitsikasina
Nefa...ataoko ahoana moa
Ny fandraoka rano raraka
Hiverina hiangona eto indray
Isika aza efa nisaraka
Efa samy nanidy fo
Sa averina iaina ny aina
Ny lasa omaly sy afakomaly
Dia io ianao ry saina
Manomboka mijaly
Fa...
Voafihinao anaty karan-doha
Ny volana baliaka
Niarahana nijery
Ny tsikiny sariaka
Mofono mistery
D'io ianao fa nifoha
Nibanjina ny ranomasina
Sangin'ny rivotra
Mitopa,Mihovotra
Toa rano mangovotra
Ary manamasina indray
Ilay fitiavanay
Notsofon'ny tadio
Toa miverina anio
Ny ora sy daty
Tsy mety maty
Ariva toy izao!
Eny... ariva
Iry ny volana
Io ny ranomasina sy ny dobok'onjany
Injany ny rivotra sy ny fikopany
Fa misafo anao
Mandeha manivatsiva
tsy nivolana
Ianao aza sambatra fa nandalondalovany
Namihina ny tratrako nianokan'ny fidolany
Mamoha ny lasa ve?
Ireto fasika maro be?
Nisangina tanaty fasambarana
Io ny volana fa manarangarana
Anatin'ny ranomasiny
Menatra aho tarafiny
Fa ...
teto izay nifankatia
Matahotrin'ny ho faty
Izao izy ity..
Tantara efa maty
Toa lasa fahazarako ny maka olana
Rehefa aty toamasina
Mipetra eo amoron-dranomasina
Mijerin'ny hamanjan'itsy volana
Fa lasa tiako daholo izay nananany
Tiako ho ahy hatramin'ny fenomanany
Mitahiry fahatsiarovana ho ahy loatra
Ny mirom-pasikao ry ranomasina
Tiako handalondalovana isak'izay mivoaka
Ny farin-taninao ry toamasina
RAZAFIMANANTSOA
25 Aogositra 2023 2ora sy 12minitra
21/09/2023
SOA
Teo aminao ny hatsarana nahababobabo fo
Ry tovovavy bikana voninkazo soa
Te hioty anao ho firavaka ny misiko
Nefa ny hanitrao,tsy nandravaka ny nofiko
Fa nahoana kosa re ? Ry felan-disiko
No lolo maro be, no misaosao manodidina ny felana
Miha-maina izao ny tany,malazo koa ny lisiko
Dia ny foko mitomany,tsy nety ho tompo-toerana
Taloha aho no mitsiriritra anao ry vony
K'anefa amin'izao nofy sisy ny rehetra
Maina toy ny taho,nalazo koa ny fony
Niova ianao,nandrary tia nisetrasetra
Soa tena soa ianao ry voninkazo
Saingy ny fitiavako no efa malazo
RAZAFIMANANTSOA
6septambra 6ora sy 56minitra
20/09/2023
HETAHETA
Zairo ny molotray fefeo ny fefiloha
I MADAGASIKARA hatram'izay nanaova-mokondoha
Tsy baolina io izay te hamitaka dia mitondra
Mba tadidio, Fa GASY nisedra onja
Atondrao ny ranon'erika hanamando fahantrana
Nareo ve miherika vao nahazo fitondrana?
Vakinareo ny laka mba ho tondran-drano foana
Nareo no tompon-daka dia avelao izahay hisaona
Firifiry taona no efa niaretan'ireto vahoaka ireto
Niforetany anaty vidim-pianana efa kizo dia kizo
Ny vola mihiditra tena marefo dia marefo
Hetaheta tsy tanteraka ny an'i LEMIZO
RAZAFIMANANTSOA
19septambra 2023 12 ora sy 49minitra Ampitatafika
Category
Website
Address
Antananarivo
Alerts
Be the first to know and let us send you an email when Chel Manantsoa posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.
