Mikajy ny hoavy

Mikajy ny hoavy

Share

Actualités

16/04/2022
04/04/2022

📌Ny Tantaran'ny SKOTO MALAGASY Voalohany📌

Tamin'ny Alahady 09 Aprily 1922 (Alahadin'ny Sampan-drofia io andro io)no niseho voalohany tamin'i Révérend Jhon Fuller RADLEY teo amin'ny totoha-bato niakatra an'Antaninarenina ireo sokajy voalohany izay notarihin'i
- Michel RAJOHNSON sy ny ekipany dia i:
- Eugène RAZAFITRIMO
- Philippe ANDRIANARIJAONA
- Alban RATSIVALAKA
- Albert Rakoto RATSIMAMANGA

Toy izao ny fitantaran'i Albert Rakoto RATSIMAMANGA:

Isaky fotoam-pialan-tsasatra dia nentiny nandeha tongotra hatrany Ramainandro sy nihanika ny tendrombohitra Ankaratra izahay.
Samy mitondra ny vatsy sahaza azy sy ny fitaovana nilaina rehetra. Nanao asa izahay teny an-dalana nandalovanay toy ny fanampiana ny marary sy ny sahirana.

NAMPAHALALANA ANAY NY SKOTISMA
Teny am-pandehanana teny no nampahafatanran'i Rev.RADLEY taminay ny momban'i Baden POWELL. sy ny zava-kendren'ny SKOTISMA.
Nafana fo tokoa izahay nandre ireny dinidinika ireny, ka naniry mafy ny mba ho SKOTO.

Rajohnson no zokiny indrindra taminay, no tena nafana fo ka nitady izay hanaovanay fomba hanaovanay Skoto. Koa nampanjaitra fanamiana ho anay izy, efa nasehon'i Rev. RADLEY taminay ny fanamiana skoto tao an-tranony.

Nafeninay fatratra izany fiomanana izany, ka tamin'ny Alahadin'ny Sampan-drofia taona 1922 dia nanao izany fanamiana skoto izany izahay ary nilahatra teo amin'ny totohabato miakatra ny fiangonana ANGLIKANA tao Atsimon'Anjoma teo Antaninarenina (ilay misy ny Paositra ankehitriny), mba hiandry ny Rev.RADLEY hiditra tao am-piangonana.

NISEHO HO SKOTO IZAHAY
Ny zokinay Rajohnson no nibaiko anay amin'ny fomba Skoto rehefa nandalo ny Rev.RADLEY. sy Ramatoa Pryce BROWN.Tena tsy nampoizin'i Rev RADLEY izany fihetsika nataonay izany.
Hany heriny namely tsisazoka ny arahabanay sady nandray tanana anay tsirairay avy.

Nandritra ny herinandro dia niely tao amin'ny High School Ambohimanoro izany zava-niseho izany.
Araka ny fanaon'ny sekoly dia milahatra eo an-tokotany avokoa ny mpianatra alohan'ny hidirana ao an-dakilasy.
Vory atrika avokoa ny mpampianatra sy ny mpianatra rehetra. Indro Rev.RADLEY talen'ny Sekoly nanao "Fanamiana maha Skoto" azy no sasy nanao samboady ny "maha mpianatry Oxford" azy.

Teo no nilazany am-pahibemaso hoe:
" Faly ny foko fa teraka teo amin'ity sekoly ity ny Skoton'i Baden POWELL ary tsy izaho no namorona azy fa ireto tovolahy dimy notarihin'i RAJOHNSON Michael ireto"

----Reverend Jhon Fuller RADLEY-----

(And.1)

Photos from La Race côtière Zho Gasy.'s post 04/04/2022
04/04/2022

Antakarana

Il rentre sur Terre après 355 jours dans l'espace 31/03/2022

Il rentre sur Terre après 355 jours dans l'espace L’astronaute de la NASA Mark Vande Hei vient de rejoindre la Terre ce mercredi 30 mars, relate CBS News. Ce faisant, il établit un nouveau record pour les astronautes américains, avec un séjour de 355 jours de suite dans l’espace. Il est rentré sur Terre avec deux collègues russes : le comm...

27/03/2022
Want your business to be the top-listed Beauty Salon in Diego?
Click here to claim your Sponsored Listing.

Category

Website

Address


Diego